03/03/2021
🇲🇬Injiniera mpanao trano no asa fivelomako, koa izao no mba torohevitro:
Ho anareo izay maniry hanorina trano:
1_Aza mitaky zavatra ngeza loatra raha tsy tena azo antoka ny fidiram_bola.
2_Tonga dia ajanony eo , dia atao finition ny ao ambany raha mbola manofa trano ianao mba afaka mifindra any, fa azo tohizana tsikelikely foana io @ manaraka.
3_Ezaho ny hanaovana ilay asa ho faran'izay haingana mba hahakelikely ny dépense sy ny asa saina eo (fa miankina ).
4_Aza mitady zavatra maro tsipelina loatra raha mbola ambany ny toe_bola ampelatanana fa ataovy tsotsotra aloha fa ny FINITION NO MILA ATAO TSARA.
5_Rehefa manao DALLAGE, (mandrafitra vato4/7 sy beton de forme) dia tsy maintsy vitaina in_dray andro daholo izay voarafitra vato4/7 mba ho fiarovana mpialona mety hametraka zavatra (ody ratsy) ao ambany. (( Ny mpilona re no mety hanao an'izay e!
Izany no mahatonga ny tranon'olona sasany tsy mety ialàn'ny olana...tsy mety vita ny trano.
Misy indray lasa marary lava ny tompony mipetraka eo raha vao vita ny trano.))
6_Ny tena tsara; mila équipe misy Technicien no alainao manao azy no sady arahina maso tsara koa ny matériaux fa tsy kely lalana ny ratsy. (Fa arakaraky ny enti_manana).
7_Aleo miditra lafo karama kokoa raha efa hitanao ny asany toy izay miady prix ambany loatra fa matoa izy manaiky prix ambany efa misy fikasana hafa no ao antsainy...satria fantany fa tsy fantatrao ilay asa ampanaovinao azy!
8_Tadidio fa tsy toy ny mividy fiara ny manao trano, tsy vita indray andro fa mitaky fotoana sy herim_po sy herin_tsaina ary vavaka fa maro ny tebiteby sy tahotra lalovana vao vita ny asa.
9_Ataovy tsara ao anaty contrat de travail ny mode de paiement hoe: arakaraky ny asa vita no efaina vola mba hialàna asa tsy vita, ny karama efa lany. (Attachement no anarany).
10_Ataovy mazava tsara ny plan harahina mba tsy hampiady anao sy ilay mpanao azy fa tsy hoe miova miandalana foana ny plan ka lasa misy imprévue marobe ianao no lasa mitombo koa ny asa dia miditra ny olana.
11_ Rehefa manao commande matériaux dia refeso tsara mihitsy ny hadirin'ilay camion hanatitra azy mba tsy handiso ny calcul efa vita fa tena maro koa ireo milaza fa 5m3 hono nefa raha refesina 3m3 raha be indrindra.
Mankasitraka indrindra anao namaky! Ho tahin'Andriamanitra anie ny fikasanao.
Hoy i Désiré William RAKOTOMALALA.
Malagasy ve ianao
🇲🇬 Malagasy ve ianao 🙏 Manasa anao hizara rehefa avy novakianao