Passion Pelouse Madagascar

  • Home
  • Passion Pelouse Madagascar

Passion Pelouse Madagascar Spécialiste des espaces verts et de l'aménagement paysager.

Vente de gazon de qualité, Engrais biologiques 100 % naturels Fleurs et plantes ornementales, Matériels et accessoires de jardinage, Création et entretien de jardins

11/07/2026

Ny zezika no tena antokin'ny vokatra ho azonao
tsara kokoa ny mampiasa zezika Biolojika
Raha liana ianao dia 👇
ANTSOY na WHATSAPP na MP
Afaka manao livraison izahay
0348023220

10/07/2026

hita tany ho any, tena mivavah foana alohan'ny hivoaka ny trano dia mailo dia mitandrema 🙏😭

08/07/2026

🌱 NAHOANA NO MAVO NY GAZON NA DIA TONDRAHANA ISAN'ANDRO AZA?
Maro no mihevitra fa rehefa tondrahana isan'andro ny gazon dia tokony ho maitso foana izy. Tsy izany anefa no zava-misy.
Ireto misy antony mahazatra:
☀️ 1. Be loatra na tsy ampy ny rano. Ny gazon dia mila rano ampy, fa tsy rano be loatra. Raha mando foana ny tany dia mety ho simba ny fakany.
🌱 2. Tsy ampy otrikaina ny tany. Rehefa lany ny otrikaina dia manomboka mavo sy malemy ny gazon. Mila zezika mifanaraka amin'ny filany izy.
✂️ 3. Diso ny fanapahana azy. Raha tapahina fohy loatra ny gazon dia mora tratran'ny hafanana sy mihamavo.
🌿 4. Misy aretina na bibikely. Indraindray dia misy holatra na bibikely manimba ny fakany sy ny raviny.
🪨 5. Mafy na voaporitra loatra ny tany. Raha tsy afaka miditra any amin'ny faka ny rivotra sy ny rano dia tsy mitombo tsara ny gazon.
💡 Tsarovy: Tsy ny fanondrahana isan'andro no antoka hahamaitso ny gazon, fa ny fikarakarana azy amin'ny fomba mety.
📩 Raha mila fanampiana sy torohevitra momba ny gazon na zaridainanao ianao, dia aza misalasala mandefa hafatra @ mp na WhatsApp
Faly izahay hanampy anao hanana zaridaina maitso sy salama

🌱 AHOANA  NO  AHAZOANA  RANON-JEZIKA KANKANA 🪱( Eisenia fetida ) ?💥Ny kankana dia ompiana ao anaty zezika organika (ravi...
05/07/2026

🌱 AHOANA NO AHAZOANA RANON-JEZIKA KANKANA 🪱( Eisenia fetida ) ?

💥Ny kankana dia ompiana ao anaty zezika organika (ravinkazo, taim-biby efa masaka, fako an-dakozia, sns.). 💥Rehefa mihinana ireo izy dia mamokatra humus sy ranon-jezika voajanahary, izay angonina sy ampiasaina ho zezika ranoka 100% bio

✅ TOMBOTSOA AZO @ FAMPIASANA AZY :
💥Manome tanjaka sy mampivelatra ny fakany.
💥Mampitsimoka sy mampitombo haingana ny zavamaniry
💥Mampitombo ny vokatra sy ny kalitaon'ny voankazo sy legioma.
💥Manatsara ny firafitry ny tany .
💥Tsy mandoro ny zavamaniry rehefa ampiasaina araka ny fatra.

🌿 ZAVAMANIRY AZO AMPIASANA AZY
✔ Gazon
✔ Legioma rehetra
✔ Voankazo
✔ Voninkazo sy haingon-trano
✔ Vary, katsaka ary voly an-tsaha
✔ Kafe, kakao, lavanila, dipoavatra, sns.

💧 FOMBA FAMPIASANA AZY
🫧Fandrarahana amin'ny faka :
Afangaro 100 ml ranon-jezika amin'ny 1 litatra rano (1:10).
Atao indray mandeha isan-kerinandro na isaky ny 15 andro.
🌿Famafazana amin'ny ravina :
Afangaro 50 ml amin'ny 1 litatra rano.
Afafazo maraina na hariva.
❌Tsy ampiasaina foana akory izy fa rehefa tratranao ny vokatra ilainao dia ajanona izy( arakarakin'ny filan'ny volinao)

🌍 NAHOANA NO MISAFIDY AMPIASA AZY ISIKA ?
✅ 100% voajanahary (Bio)
✅ Tsy misy akora simika mampidi-doza
✅ Mahasoa ny tany sy ny tontolo iainana
✅ Mety amin'ny fambolena rehetra.
🌱 Omeo sakafo voajanahary ny taninao, dia haveriny aminao amin'ny alalan'ny vokatra salama ary vokatra be izany!

💁Raha liana @ fiompiana ianao ?
💁Raha liana hampiasa @ lombeithé ianao ?
Aza misalasala miantso na WhatsApp : 0348023220

✅Raha atao Gratuit ny livraison amin'ity volana Jolay ity dia ho tamana ianao ampiasa mahita ny vokatra entin'ity zezika...
04/07/2026

✅Raha atao Gratuit ny livraison amin'ity volana Jolay ity dia ho tamana ianao ampiasa mahita ny vokatra entin'ity zezika ity (2 Litres minimum)
✅ Ranonjezika mety @ fambolena rehetra
✅Miavaka tsy tahaka ny nahazatra anao ny vokatra azo rehefa mampiasa azy
🌿Maintso☘️mamelana tsara🌿 mamoa voaniny lehibe 🌿 matanjaka☘️tsy tian'ny bibikely 🐛🦠 tsy mora azon'ny aretina🪸 tsy mandoro ravina☘️
✅Tsy voatery mampiasa foana ianao fa rehefa mahazo vokatra dia mijanona
Vidiny 1Litre 5.000Ar / efa misy notice
Mobile/ WhatsApp : 0348023220

Ahoana no atao mba hijanonan'ny gazon ho maintso lalandava?IRETO NO ZAVATRA 5 TENA ILAINAO:💧 Tondrahana amin'ny fotoana ...
02/07/2026

Ahoana no atao mba hijanonan'ny gazon ho maintso lalandava?

IRETO NO ZAVATRA 5 TENA ILAINAO:
💧 Tondrahana amin'ny fotoana mety: maraina vao mangiran-dratsy na hariva, fa aza amin'ny masoandro be.
✂️ Tapahana tsy tapaka: aza avela ho lava loatra na fohy loatra.
🌱 Omena zezika tsy tapaka: ny zezika organika dia manampy ny fakany hatanjaka sy hitazona ny lokony maitso.
🌬️ Atao tsara ny drainage: tsy tokony hisy rano hijanona ela amin'ny tany.
🍂 Esorina ny ahitra ratsy sy ny ravina maina: mba hahafahan'ny gazon miaina tsara.
👉 Tsarovy: Tsy ny rano irery no mahatonga ny gazon ho maitso.
Mila fikarakarana sy sakafo sahaza ihany koa izy.
💬 Raha manana olana amin'ny gazon-nao ianao dia soraty ao amin'ny commentaire, fa homeko torohevitra maimaim-poana.

Tianao ve ny tokotaninao ho maitso sy tsara tarehy ao anatin'ny andro vitsivitsy? Izahay no hanatanteraka izany fa midir...
01/07/2026

Tianao ve ny tokotaninao ho maitso sy tsara tarehy ao anatin'ny andro vitsivitsy? Izahay no hanatanteraka izany fa midira mp miantsoa fa omenay fahafam-po @ vidy mirary ianao
Mobile / WhatsApp 0348023220

Eh! Ô! 📢📢📢Hifandrombahana be anie  ny zezika ato fa sao dia tara ianaoAlefaso mialoha ny commande-nao WhatsApp/ mobile 0...
26/06/2026

Eh! Ô! 📢📢📢
Hifandrombahana be anie ny zezika ato fa sao dia tara ianao
Alefaso mialoha ny commande-nao
WhatsApp/ mobile 0348023220

Rehefa mamboly pelouse isika dia tsara manisy haingo voninkazo marevaka  koa, Iza ary no haka azy 3 fa sady mora loatra ...
19/06/2026

Rehefa mamboly pelouse isika dia tsara manisy haingo voninkazo marevaka koa,
Iza ary no haka azy 3 fa sady mora loatra 15.000Ar izy 3 vavy
0348023220

Address


Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Passion Pelouse Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

  • Want your business to be the top-listed Contractor?

Share