01/09/2022
Culture générale kely ary aloha e
Antony 10 tokony hananana saka ao an-trano!
Ny saka dia manana fifandraisana manokana amin'ny olombelona. Raha mila namana ianao nefa misalasala momba ny saka, dia ireto ny antony 10 hanampy anao hanangana sy hiompy saka an-trano!
1. Ny saka dia mamihina… rehefa tiany izany.
Rehefa mitondra azy ny toe-po, eo anelanelan'ny sakafo roa, dia ho avy ny saka ka hiondrika aminao ary hangataka hosafoinao. Araraoty amin'izay fotoana izay fa raha atao tsara dia hiverina matetika.
2. Loharanon’ny aingam-panahy koa izy io
Modely amin'ny fiainana ny saka. Ny « paroxyme » ny fahatoniana. Tsy hoe tsy azony. Tsy raharahainy fotsiny izany, satria tsy zava-dehibe izany. Jereo izy ireo rehefa mijanona eo anoloan'ny tany izy ireo. Ho hitanao fa mety ho marina ny manao toy izany amin'ny farany.
3. Raha mba misy fotoana ianao matsiaro hoe leo eo amin’ny fiainana, ny saka dia hanampy anao hamono fotoana
Eny fa na dia tsy mila anao aza izy hiara-hilalao aminy. Azonao atao foana ny manandrana miara-milalao aminy. Raha manaiky izy dia afaka miara-milalao aminy foana ianao.
4. Madio
Manadio tena samirery ny saka, ary mahalala manao ny malotony amin’ny toerana sahaza izany izy raha nampianatra azy izany ianao. Mazava ho azy fa tsy voatery hanadio azy ianao. Ary tsy voatery aterinao ko aizy rehefa hanao ny malotony!
5. Miaro ny biby mpikiky tsy ho ao an-tranonao izy!
Manana totozy na voalavo ve ianao ao an-tranonao? Mila saka ianao. Biby mpihaza ny sy manana toetra miremby ny saka. Mihaza izy ireo mba hitazonana ny fiheviny ho maranitra. Raha mitondra totozy ho anao izy dia fanomezana tsotra izao, satria heveriny fa tsy mahay mihaza ianao ary tsy maintsy mamahana anao amin'ny maha-mpianakavy azy.
6. Mangina
Tsy toy ny alika, ny saka dia tsy mivovo. Na izany aza, dia mioona izy rehefa noana, na te hivoaka na hiditra. Ireo ihany no fotoana handrenesanao izany.
7. Ny saka dia fanatrehana
Ny saka koa dia namana iray izay hamelona ny tranonao amin’ny fomba mavitrika na tsy misy dikany. Rehefa mipetraka eo amin'ny seza eo akaikinao ny sakanao dia tsapanao ny fisiany ary manome toky foana izy. Koa raha mahatsiaro ho irery ianao, dia makà saka, na roa, na telo.
8. Tsara ho an'ny fahasalamanao ny « ronronnements » ny saka!
Voaporofo ara-tsiansa fa manana toetra ara-pahasalamana dia misy « vertus thérapeutiques ». Iny « ronrons » ny saka iny dia misy fiantraikany tsara sy mampilamina ny sainao. Iny feo « ronrons » iny dia manampy anao amin'ny fanarenana sy filaminan’ny fihetseham-ponao mahery vaika.
9. Tsy dia mandany vola kokoa ny saka raha oharina amin’ny alika
Na eo amin'ny vola na ny fotoana, ny saka dia maneho fampiasam-bola kely kokoa. Ankoatra izany, ny saka dia afaka mikarakara ny tenany, raha tsy manam-potoana hikarakarana azy mandritra ny iray na roa hariva.
10. Ary Ambonin'ny REHETRA, dia maneho zavatra tsy ampoizina foana ny saka
Ny saka dia manana izany fahaiza-manao mahagaga izay, na amin'ny fihetsika, na amin'ny hadalany. Izany no mahatonga azy ho laharana 1 GIF (sary mihetsika) sy horonan-tsary amin'ny Internet.
Panoratra : AihetRmf
Sary indrana