HTN Plans Devis Formation BTP

HTN Plans Devis Formation BTP Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from HTN Plans Devis Formation BTP, Architectural Designer, Antananarivo.
(1)

✴️Mampianatra "Logiciels techniques : AutoCAD, ArchiCAD, Advance Concrete, Lumion"
✴️Métré&Devis
💡 en salle, à domicile
(niveau débutant → professionnel)

❌ Tsy théorie fotsiny
✅ Compétence réelle sur chantier et Bureau d’Études.

☎️+261 34 17 728 29

Mirary torimaso mamy feno fiadanana ho atsika rehetra.🙏🧎‍♀️‍➡️"Ny Anjelin'i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy...
26/07/2026

Mirary torimaso mamy feno fiadanana ho atsika rehetra.🙏🧎‍♀️‍➡️

"Ny Anjelin'i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy".
— Salamo 34 : 7

🌙SOAVA-MANDRY DAHOLO.🌃🌙

25/07/2026
📌 DOSAGE MAÇON (3 sy 1) VS TEKNISIANA (350 kg/m³): NY FEHINY! 🏗️Misaotra antsika rehetra nandray anjara mavitrika tamin’...
25/07/2026

📌 DOSAGE MAÇON (3 sy 1) VS TEKNISIANA (350 kg/m³): NY FEHINY! 🏗️
Misaotra antsika rehetra nandray anjara mavitrika tamin’ny adihevitra omaly! 🤝

Azo ampiasaina ve ny fomba "3 sy 1"? Eny, saingy misy fetra sy loza mitatao raha tsy mitandrina!

💡 Torohevitra Teknika 3 Lehibe ho an'ny Dalle sy Poteau (350 kg/m³):

1️⃣ Ny olana amin'ny DABA na Brouette:
Ny fampiasana brouette na daba ("3 sy 1") dia miankina amin'ny haben'ilay fitaovana sy ny hamandoan'ny fasika. Mety hiova tampoka ny dosajy ka hampihena ny herin'ny beton!

2️⃣ Ny Caisse à Dosage (Boîte à dosage):
Mba hahitana refy marin-dranoka 350kg/3 amina kitapo simenitra 1 (50 kg), ampiasao ny Caisse de dosage (40 x 35 x 25 cm).
➡️ Dikan'izany: Caisse 2 Fasika + Caisse 3 Gravier ho an'ny Kitapo Simenitra 1 (50 kg).

3️⃣ Mitandrema amin'ny Rano (Rapport Eau/Ciment):
Izay dosage rehetra atao eo, raha be rano loatra ny beton, dia hihamalemy ary hitresaka lè maina!

📐 Fehiny: Tsara ny fomba nahazatra fanao eny an-tsehatra fananganana trano, saingy ny fampiasana refy sy fanaraha-maso teknika hatrany no miantoka ny fahatsaran'ny trano sy ny fiarovana ny mpampiasa azy!

💬 Soraty ao amin'ny comment ny fanontanianao na ny traikefanao!

📩 Ndao hiresaka amin'ny MP raha mila fanampiana amin'ny Plan na Devis ianao!

⚙️ HTN Plan Devis Formation - Mizara ny kanto sy ny teknika BTP.





DOSAGE MAÇON" vs "TABLEAU DE DOSAGE TEKNISIANA"🏗️ ADIHEVITRA BTP / FANANGANANA TRANO 📐Eny amin'ny chantier sy eo amin'ny...
24/07/2026

DOSAGE MAÇON" vs "TABLEAU DE DOSAGE TEKNISIANA"

🏗️ ADIHEVITRA BTP / FANANGANANA TRANO 📐
Eny amin'ny chantier sy eo amin'ny maçon Malagasy, matetika isika mandre ny hoe:
🔹 "Béton 3 sy 1" (ho an'ny poteau, dalle, poutre...)
🔹 "Enduit 4 sy 1" (ho an'ny fandalorana)

❓ Mba efa nanontany tena ve ianao hoe nahoana no "3 sy 1" na "4 sy 1" no fampiasa matetika?
❓ Ary amin'ny maha Teknisiana na
Maçon za-draharaha, ahoana no hifanarahan'io amin'ny Tableau de dosage (300 kg/m³, 350 kg/m³)?

Ny mahatsara azy:

✅ Mora raisin'ny maçon sy ampiharina eny chantier.
⚠️ Saingy raha tsy voalanja tsara ny daba na ny brouette ampiasaina, mety hiova ny kalitaon'ny beton!

👇 Araka ny traikefanao (na amin'ny maha olon-tsotra, na maçon, na teknisiana anao):
• Mbola ampiasainareo ve io fomba "3 sy 1" sy "4 sy 1" io amin'ny chantier-nareo?
• Ary inona ny olana matetika mampidi-doza amin'ny fampiasana azy raha tsy misy teknisiana manara-maso?

Avelao ao amin'ny comment ny hevitrao, hiara-mianatra isika rehetra! 👇
⚙️ HTN Plan Devis Formation - Mizara ny kanto sy ny teknika momba ny BTP.
👉Araho (Suivre) hatrany ny page HTN Plans Devis Formation BTP





🧠 KILALAON-TSAINA MALAGASY 🇲🇬Fantatrao ve ity ohabolana ity?🔎 Jereo tsara ireo sary dia andramo vinaniana ny ohabolana m...
30/06/2026

🧠 KILALAON-TSAINA MALAGASY 🇲🇬
Fantatrao ve ity ohabolana ity?

🔎 Jereo tsara ireo sary dia andramo vinaniana ny ohabolana miafina.

✍️ Soraty ao anaty commentaire ny valinteninao.
🎯 Aza mijery commentaire aloha fa miezaha mamaly samirery.

💬 Asio mention namana iray tia kilalaon-tsaina koa.

⚠️ FAHADISOANA 3 MPANDANY VOLA RAHA TSY MANAO PLAN 📐💸Raha hanorina trano ianao, tandremo tsara ireto fahadisoana 3 matet...
04/06/2026

⚠️ FAHADISOANA 3 MPANDANY VOLA RAHA TSY MANAO PLAN 📐💸
Raha hanorina trano ianao, tandremo tsara ireto fahadisoana 3 matetika mitranga ireto raha tsy misy Planina matihanina:

1️⃣ Fividianana matériaux diso na mihoatra: Raha tsy misy "Devis/Métré" mialoha, dia mety hihoatra be ny simenitra na vy vidianao, na tsy ampy ka mampiato ny asa.

2️⃣ Tsy mifanaraka amin'ny tontolo ny trano: Mafana be ao anatiny rehefa fahavaratra, na tsy miditra ny masoandro rehefa ririnina. Ny Plan no mamaritra ny fizotran'ny rivotra sy ny hazavana!

3️⃣ Fahasarotana rehefa manao "Extension": Rehefa hitombo ny fianakaviana ka hanampy efitra, dia sarotra ny mampifandray azy raha tsy efa voasoritra mialoha (Plan d'extension).

👉 Iza amin'ireo no hitanao fa tena maha-fatiantoka indrindra? Lazao ao amin'ny commentaire!

Raha mila Plan sy Devis matotra, mivoha foana ny MP-nay! 📩

Ilay Puzzle momba ny taona🧠 KILALAON-TSAINA: IZA NO TENA MAHAHAY MANDALINA? 💬🤔Raha 6 taona ny zandrinao lahy rehefa 12 t...
29/05/2026

Ilay Puzzle momba ny taona
🧠 KILALAON-TSAINA: IZA NO TENA MAHAHAY MANDALINA? 💬🤔

Raha 6 taona ny zandrinao lahy rehefa 12 taona ianao (izany hoe ny antsasaky ny taonanao).
Androany anefa ianao dia efa 40 taona.
Firy taona izany ny zandrinao lahy androany?
A) 20 taona
B) 34 taona
C) 38 taona

👇 Valio amin'ny commentaire ny safidinao ary hazavao hoe nahoana!
Kitio 👉Suivre page

Avec E-SHOP MADA – Je fais désormais partie de ses super fans ! 🎉
27/05/2026

Avec E-SHOP MADA – Je fais désormais partie de ses super fans ! 🎉

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when HTN Plans Devis Formation BTP posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share