20/08/2026
🇲🇬 🎉 𝐓𝐞𝐭𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐓𝐀𝐋𝐈𝐌 : 𝐓𝐚𝐟𝐚𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐄𝐜𝐨𝐥𝐞 𝐌𝐚𝐭𝐞𝐫𝐧𝐞𝐥𝐥𝐞 𝐏𝐮𝐛𝐥𝐢𝐪𝐮𝐞 𝐑𝐎𝐌𝐈𝐀𝐋𝐎 !
« Goavana ireo fahasimbana nahazo ny sekolinay vokatrin’ny fandalovan’ny GEZANI taty amin’ny faritra Atsinanana tamin’ny volana Febroary lasa teo. » Hoy i Ramatoa Sidonie, Talen-tsekolin’i EMP Romialo.
« Niongotra avokoa ny tafo, potika ny efitrano fianarana, hany ka tsy afaka nandray mpianatra intsony izahay. Tsy kivy anefa fa niezaka niarina avy hatrany izahay. Nifarimbona ireo ray aman-dreny, mpampianatra ary ny mpiara-monina mba hitohizan’ny fianaran’ny zaza madinika ka nanamboarana labasy hialofana izy ireo. »
Tonga kosa anefa ny tetikasa TALIM, izay tetikasan'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena, nanohana ny sekolinay ka nanolotra :
⛺ efitranon-tsekoly vonjy maika (na trano lay) nahafahan’ny sekoly nanohy ny fampianarana ;
🎒 fitaovam-pianarana feno ho an’ireo mpianatra miisa 334 ;
👩🏫 fanohanana ara-bola ho an’ireo mpampianatra FRAM tao anatin’iny fotoan-tsarotra iny. »
Natomboka ny 11 jona lasa teo ireo asa fanarenana izay vatsian’ny tetikasa vola, teo ambanin’ny fandrindran'ny UFP izay ao anatin'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena ihany. Nandray anjara lehibe tamin'ny fitantanana izany asa izany ireo FEFFI.
Ny zava-bita ? Tafarina tanteraka ny Ecole Maternelle Publique ROMIALO :
✅ Tafo vaovao ;
✅ Efitrano nohavaozina ary voaloko ;
✅ Toerana azo antoka ho an’ny ankizy.
« 𝐻𝑒𝑟𝑖𝑛𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜 𝑣𝑖𝑡𝑠𝑖𝑣𝑖𝑡𝑠𝑦 𝑠𝑖𝑠𝑎 𝑑𝑖𝑎 ℎ𝑖𝑣𝑒𝑟𝑖𝑛𝑎 𝑚𝑎ℎ𝑜𝑟𝑎𝑘𝑎 𝑖𝑛𝑑𝑟𝑎𝑦 𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑒𝑓𝑖𝑡𝑟𝑎𝑛𝑜 𝑓𝑖𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑖𝑟𝑒𝑜. 𝐸𝑓𝑎 𝑡𝑠𝑦 𝑎𝑛𝑑𝑟𝑖𝑛𝑎𝑦 𝑠𝑎ℎ𝑎𝑑𝑦 𝑛𝑦 ℎ𝑎ℎ𝑖𝑡𝑎̀𝑛𝑎 𝑛𝑦 ℎ𝑎𝑓𝑎𝑙𝑖𝑎𝑛’𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑚𝑝𝑖𝑎𝑛𝑎𝑡𝑟𝑎𝑦 ℎ𝑖𝑑𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑡𝑎𝑜𝑚-𝑝𝑖𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑣𝑎𝑜𝑣𝑎𝑜! »
________________________________________
🇫🇷 🎉 𝐏𝐫𝐨𝐣𝐞𝐭 𝐓𝐀𝐋𝐈𝐌 : 𝐋’𝐞́𝐜𝐨𝐥𝐞 𝐌𝐚𝐭𝐞𝐫𝐧𝐞𝐥𝐥𝐞 𝐑𝐎𝐌𝐈𝐀𝐋𝐎 𝐬𝐞 𝐫𝐞𝐥𝐞̀𝐯𝐞 !
« Quand le cyclone GEZANI a frappé l'Atsinanana au mois de Février, notre école a subi de lourds dommages : toitures arrachées, salles détruites et plusieurs enfants privés de classe. » Nous a dit Madame Sidonie, Directrice de l’École Maternelle Publique ROMIALO. « Mais la communauté s’est rapidement mobilisée et avec les moyens du bord, nous avons mis en place des abris temporaires pour permettre aux tout-petits de poursuivre leurs activités d’éveil.
Pour accompagner cette reprise, le Ministère de l'Education Nationale à travers le projet TALIM a apporté plusieurs formes de soutien à notre école :
⛺ une tente provisoire pour assurer la continuité des activités pédagogiques ;
🎒 des kits scolaires pour nos 334 élèves ;
👩🏫 une aide financière exceptionnelle aux enseignants FRAM touchés par le cyclone. »
Le 11 juin, les travaux de reconstruction financé par le projet ont démarré, sous la coordination de l’UFP qui fait parti du Ministère de l'Education Nationale, et avec une forte implication de la FEFFI dans la gestion du chantier.
Aujourd'hui, l’École Maternelle Publique ROMIALO se prépare à tourner une nouvelle page :
✅ des toitures neuves ;
✅ des salles remises en état et repeintes ;
✅ un environnement plus sûr pour accueillir les enfants.
« 𝐷𝑎𝑛𝑠 𝑞𝑢𝑒𝑙𝑞𝑢𝑒𝑠 𝑠𝑒𝑚𝑎𝑖𝑛𝑒𝑠, 𝑙𝑒𝑠 𝑠𝑎𝑙𝑙𝑒𝑠 𝑟𝑒𝑡𝑟𝑜𝑢𝑣𝑒𝑟𝑜𝑛𝑡 𝑐𝑒 𝑞𝑢𝑖 𝑙𝑒𝑢𝑟 𝑎 𝑙𝑒 𝑝𝑙𝑢𝑠 𝑚𝑎𝑛𝑞𝑢𝑒́ : 𝑙𝑒𝑠 𝑣𝑜𝑖𝑥, 𝑙𝑒𝑠 𝑟𝑖𝑟𝑒𝑠 𝑒𝑡 𝑙’𝑒́𝑛𝑒𝑟𝑔𝑖𝑒 𝑑𝑒𝑠 𝑒𝑛𝑓𝑎𝑛𝑡𝑠. 𝑁𝑜𝑢𝑠 𝑎𝑣𝑜𝑛𝑠 ℎ𝑎̂𝑡𝑒 𝑑𝑒 𝑙𝑒𝑠 𝑎𝑐𝑐𝑢𝑒𝑖𝑙𝑙𝑖𝑟 𝑝𝑜𝑢𝑟 𝑐𝑒𝑡𝑡𝑒 𝑛𝑜𝑢𝑣𝑒𝑙𝑙𝑒 𝑟𝑒𝑛𝑡𝑟𝑒́𝑒 !»