Mikarakara Taratasy Rehetra

Mikarakara Taratasy Rehetra Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Mikarakara Taratasy Rehetra, Contractor, Antananarivo.

🔴🔵 Ny Agence MTR: manampy anao amin'ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra toy ny : Tany , Trano , Orinasa ( Entreprise individuelle ) , Fiara , Moto , Acte d'Etat Civil , sns ..

📍 Ambohidahy Ankadindramamy Tana V
☎ Laharana : +261 34 27 576 43

INONA NO TENA MAHA SAMY HAFA NY ATAO HOE  DONATION SY NY VENTE SOUS SEING PRIVÉ ? 🏡👇🏻Matetika misy fifangaroana rehefa m...
20/08/2026

INONA NO TENA MAHA SAMY HAFA NY ATAO HOE DONATION SY NY VENTE SOUS SEING
PRIVÉ ? 🏡👇🏻

Matetika misy fifangaroana rehefa miresaka famindrana fananana ( toy : ny tany, trano, na zavatra sarobidy ) ary misy olona sasany mieritreritra fa mitovy ny donation sy ny vente sous seing privé .

Handeha hojerentsika indray ary ny mahakasika izay ...

__________

🛑 Inona moa ny atao hoe Donation ?

1️⃣ Ny donation dia fanomezana fananana ataon’ny olona iray ho an’ny olona hafa maimaim-poana, izany hoe tsy misy vola takalony.
✅ Ohatra : Ray aman-dreny manome tany ho an’ny zanany.


2️⃣ Araka ny lalàna malagasy, ny donation dia tsy maintsy atao acte officiel eo anatrehan’ny Officier Public irery ihany (Notaire na Chef d'arrondissement administratif). Ary mila manaiky ilay omena.


3️⃣ Dingana sy ny antonta taratasy ilaina amin'ny donation:
✅ Acte de donation authentique
✅ CIN an’ny roa tonta miampy certificat de résidence
✅ Certificat de situation juridique (CSJ)
✅Plan
✅ Vavolombelona miaraka amin'ny CIN sy certificat de résidence. .
✅ Duplicata titre foncier na Kadasitra

👉🏻 Atao ny Autorisation de Transaction Immobilière
👉🏻 Enregistrement eny amin'ny Centre Fiscal
👉🏻 Mutation eny amin'ny Domaine


4️⃣ Tombotsoa avy amin' io dia :
✅ Tsy mila mandoa vola ny mpandray.
✅ Mora ampiasaina amin’ny fizarana lova mialoha.
✅ Manampy misoroka disadisa amin’ny fianakaviana amin’ny ho avy


5️⃣ Tandremo anefa fa :
❌ Tsy maintsy mandalo Officier Public vao manan-kery
Ary mila vitaina ireo dingana ara-dalàna rehetra.
❌ Misy saram-panjakana sy frais hatrany.
❌ Sarotra ovaina raha efa vita
❌Mila misoratra amin'ilay mpanolotra ny fananana izay tolorana
❌Didim-pitsarana irery ihany no entina manao annulation azy.


🛑 Inona koa ny hoe Vente sous seing privé ?

1️⃣ Ny vente sous seing privé dia fifanarahana fifampivarotana atao an-tsoratra izay hifanaovan'ny mpivarotra sy ny mpividy ihany.
✅ Midika izany fa ny roa tonta ihany no manao sy manasonia ny contrat ary
atao légalisation eny amin'ny Kaominina.
✅ Ny lanjan’ity acte ity dia ambany kokoa noho ny acte authentique satria mora ny manafoana(annulation)azy.


2️⃣ Dingana sy antonta taratasy ilaina amin'izany :
✅ Certificat de situation juridique raha Titre na Kadasitra
Fa Attestation de propriété kosa raha Karatany
✅Plan
✅Ireo taratasy hafa toy acte de décès,acte de notoriété, tombam-pananana, procuration na acte de partage enregistré raha lova no amidy nefa mbola tsy nahavita mutation par décès.
✅Na taratasy hafa mampifandray amin'ilay olona anaty certificat de situation juridique raha toa ka tsy izy mivantana no mpivarotra.
✅ Kadasitra na boky titre na Karatany.

👉🏻 Autorisation de Transaction Immobilière
👉🏻 Enregistrement eny amin'ny Centre Fiscal
👉🏻 Mutation amin’ny service des domaines
👉🏻 Bornage eny service Topographie raha ampahantany nahazoana fanavahana.

👉🏻 Amin’ny tranga sasany (toy ny fananana lafo be), tsy maintsy atao acte notarié fa tsy sous seing privé.


3️⃣ Ireo tombotsoa azo avy aminy io :
✅ Haingana sy tsotra kokoa
✅Eny amin'ny Kaominina dia vita.
✅Mora foanana(annulation)


4️⃣ Tandremo kosa anefa fa :
❌ Mety ho mora iadian-kevitra raha misy olana
❌ Tsy matanjaka araka ny lalàna toy ny acte authentique.
❌ Mety hiteraka olana raha sanatria tsy complet ny dossiers
❌Mora foanana(annulation)


Inona no lohahevitra manaraka mba tianao resahana eto amin'ny page ? Ataovy ao amin'ny commentaire 👇🏻

__________

🔵🔴 Ny Agence MTR dia namanao amin'ny fikarakarana taratasy rehetra
🔵🔴 Raha mila fanampiana ara-taratasy dia aza misalasala manantona na miantso mivantana anay tompoko 😊🙏🏻

📍 Ambohidahy Ankadindramamy Tana V
☎ Appel / WhatsApp: +261 34 27 576 43

EFA HO 20 TAONA MAHERY NO NANOFA AN'ILAY TRANO , TSY TOKONY EFA HO LASAKO VE ? 🏠👇🏻Maro mihitsy ianareo no tonga mametrak...
17/08/2026

EFA HO 20 TAONA MAHERY NO NANOFA AN'ILAY TRANO , TSY TOKONY EFA HO LASAKO VE ? 🏠👇🏻

Maro mihitsy ianareo no tonga mametraka ity fanontanina ity ao amin'ny Message ka indro ary fa ho valina eto araka izay

__________

🛑 Efa ho 20 taona mahery no nanofa ilay trano . Tsy efa tokony ho lasanay amin'izay ve izany ilay trano ?

👉🏻 Tsia tompoko ! Tsy lasanao ho azy foana izany ny tranon'olona na dia efa ho 20 taona mahery ary ianao no nanofa azy tao


🛑 Satria nahoana ?

✅ Rehefa manofa trano ianao, dia midika izany fa mahazo mampiasa sy mipetraka ao amin’ilay trano ianao araka izay voalazan’ny fifanarahana amin’ny tompony. Izay ihany no tokony ho izy.

✅ Ny maha-ela ny fotoana nipetrahanao tao dia tsy manova ho azy ny maha-mpanofa anao ho lasa tompony. Raha tsy hoe voasoratra tao anatin'ilay fifanarahana izany na ho amidin'ny tompony aminao ilay trano.

✅ Misy tokoa ny antsoina hoe prescription acquisitive na fahazahoana fizakan-tany amin’ny alalan’ny fandehanan’ny fotoana sy fampiasana azy amin'ny fotoana maharitra.

✅ Misy fepetra ara-dalàna manokana tokony ho tanteraka , ary miankina amin’ny sata ara-panjakana sy ara-taratasy an’ilay tany na trano ihany koa izany. Ho an’ireo tany voasoratra ao amin’ny boky fananan-tany, ohatra, dia misy fepetra manokana momba ny prescription acquisitive.

✅ Tadidio fa raha mpanofa ianao satria nisy fifanarahana nataonao tamin’ny tompony , dia tsy azo atao velively io prescription Acquisitive io fa lasa mibodo sy mangalatra tranon''olona ianao amin’ny maha-tompony azy.


⚠ Noho izany , raha efa 20 taona mahery aza ianao no mipetraka amin’ny trano iray, dia esory ao antsaina ny hoe efa lasanao amin’izay ny trano.

👉🏻 Inona indray no lohahevitra tianao horesahina manaraka ? Alefaso ao amin'ny commentaire 😊

__________

🔵🔴 Ny Agence MTR dia namanao amin'ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra
🔵🔴 Raha mila fanampiana ara-taratasy dia aza misalasala manantona na miantso mivantana anay tompoko 😊🙏🏻

📍 Birao : Ambohidahy Ankadindramamy
☎ Appel / Whatsapp : +261 34 27 576 43

FADIO ALOHA NY MAMPANOFA TRANO OLONA ALOHA RAHA TSY EFA FANTATRAO DAHOLO IRETO 🏠👇🏻🗣 : Tranoko io, dia omeko olona hofain...
15/08/2026

FADIO ALOHA NY MAMPANOFA TRANO OLONA ALOHA RAHA TSY EFA FANTATRAO DAHOLO IRETO 🏠👇🏻

🗣 : Tranoko io, dia omeko olona hofaina fotsiny. Tsy tokony hisy fahasarotany

Tandremo anefa fa tsy ny fanomezana lakilé sy fandraisana hofan-trano fotsiny no atao hoe mampanofa trano fa misy zavatra tokony ho fantatra sy omaninao mialoha mba hiarovana anao sy ilay mpanofa.

__________

🛑 Inona no atao hoe fampanofana trano ?

👉🏻 Ny bail na fampanofana dia fifanarahana izay anomezan’ny tompon-trano ny zo hampiasa ilay trano amin’ny olona iray, mandritra ny fotoana nifanarahana, ary misy hofan-trano aloan’ilay mpanofa. Izay midika izany fa misy zo sy adidy ho an’ny roa tonta.


🛑 Inona ary no tokony hojerena aloha ?

1️⃣ Hamarino aloha fa tena manana zo hampanofa ilay trano ianao , izany hoe tokony ho mazava tsara ny satan’ilay fananana.

👉🏻 Raha manana titre, certificat, acte na taratasy manamarina ny zonao ianao, dia tehirizo sy jereo tsara.

👉🏻 Raha lova ilay trano, fananana iombonana, na misy olona hafa manana zo amin’ilay fananana, dia aza manao bail irery raha mbola tsy mazava ny zo ananan'ny tsirairay.

2️⃣ Ataovy an-tsoratra ny fifanarahana
👉🏻 Na dia mifankahalala tsara aza ianareo dia ataovy mazava an-tsoratra foana ny :

✅ Anaran'ny bailleur sy ny locataire
✅ Mombamomba azy ireo
✅ Adiresin’ilay trano
✅ Ny fampiasana azy
✅ Vola hofan-trano
✅ Daty sy fomba fandoavana
✅ Faharetan’ny bail
✅ Caution raha misy
✅ Charges sy izay miantoka azy
✅ Fepetra momba ny fanamboarana
✅ Fepetra momba ny fiafaran’ny contrat
✅ Ireo fepetra hafa nifanarahan’ny roa tonta.

3️⃣ Ataovy mazava ny état des lieux
👉🏻 Alohan'ny hidiran'ilay mpanofa dia tsara ny manoratra hoe manao ahoana marina ilay trano tamin'ny fotoana nanomezana azy. Satria rehefa miala ilay mpanofa, dia mora kokoa ny mamantatra hoe inona no efa nisy taloha ary inona no fahasimbana mety nitranga nandritra ny fampiasana.

⚠ Ohatra : varavarana , varavarankely , do**he , WC , installation électrique , rano , rindrina , tafo , isan'ny lakile nomena sns

4️⃣ Fantaro hoe iza no miantoka ny fanamboarana
👉🏻 Ataovy mazava ao amin'ny contrat ny fizarana andraikitra.

👉🏻 Ny lalàna momba ny baux dia mametraka adidy sasantsasany amin'ny bailleur, anisan'izany ny fanomezana ny zavatra hofaina amin'ny toe-javatra mifanaraka amin'ny fampiasana azy sy ny fanatanterahana ireo fanamboarana lehibe sasany izay ilaina sy maika.


🛑 Ahoana kosa ny momba ny hofan-trano ?

👉🏻 Farito mazava :
✅ Ohatrinona ?
✅ Rahoviana no mandoa ?
✅ Ahoana no handoavana ?
✅ Misy caution ve ?
✅ Iza no mandoa ny rano sy jiro ?

👉🏻 Ny jurisprudence malagasy aza dia mampiseho fa ny adidy amin'ny fandoavana ny hofan-trano dia mety hiteraka fifandirana ara-pitsarana, ka tsara ny manana porofo mazava momba ny fandoavana sy ny fifanarahana.


🛑 Ny mikasika ny enregistrement ny bail ?

👉🏻 Aza adino fa misy droit d'enregistrement mihatra amin'ny baux d'immeubles à usage d'habitation araka ny lalàna momba ny hetra. Ny tahan'ny voalazan'ny Code des impôts dia 1 % ho an'ny baux d'habitation à durée limitée, ary misy fomba kajy manokana arakaraka ny faharetan'ny bail.

👉🏻 Noho izany, raha hampanofa trano ianao, aza mijanona amin'ny fanoratana contrat fotsiny : jereo ihany koa izay fepetra ara-panjakana sy ara-ketra mihatra amin'ilay bail.


🛑 Tandremo kosa anefa ny :

❎ Mampanofa tsy misy contrat
❎ Tsy manamarina hoe iza no tena manana zo amin'ilay trano
❎ Tsy manao état des lieux
❎ Tsy mitahiry preuve de paiement
❎ Tsy manoratra mazava ny durée sy ny fepetra
❎ Tsy milaza mialoha izay miantoka ny réparation sy charges
❎ Mihevitra hoe olona fantatro io ka tsy mila taratasy


👉🏻 Inona indray no lohahevitra tianao horesahina manaraka ? Alefaso ao amin'ny commentaire 😊

__________

🔵🔴 Ny Agence MTR dia namanao amin'ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra
🔵🔴 Raha mila fanampiana ara-taratasy dia aza misalasala manantona na miantso mivantana anay tompoko 😊🙏🏻

📍 Birao : Ambohidahy Ankadindramamy
☎ Appel / Whatsapp : +261 34 27 576 43

RAHA EFA MATY ILAY OLONA AO AMIN’NY CARTE GRISE DIA INONA ARY NO TOKONY HATAO ? 🚗👇🏻Fiara efa novidina sy nampiasaina, ne...
05/08/2026

RAHA EFA MATY ILAY OLONA AO AMIN’NY CARTE GRISE DIA INONA ARY NO TOKONY HATAO ? 🚗👇🏻

Fiara efa novidina sy nampiasaina, nefa mbola tsy nahavitana acte de vente légalisé indrisy anefa fa maty ilay olona izay misoratra anaty " carte grise " .

Inona ary no atao 🤔

✅ Azo atao tsara ny manao ny " mutation " , saingy mila arahina tsara ny dingana rehetra ...

__________

🛑 Inona moa ilay hoe mutation fiara ?

👉🏻 Io dia fanovana ny anarana ao amin’ny carte grise avy amin’ny tompony taloha ho amin’ny tompony vaovao.

👉🏻 Ka raha efa maty ilay tompony voasoratra, dia tsy maintsy mandalo amin’ny fandovàna na fanomezan-dalana avy amin’ny mpandova rehetra

⚠ Tsy azo atao mivantana anefa io fanovàna anarana io raha tsy misy porofo fa :
✅ Eken’ny mpandova rehetra
✅ Ara-dalàna ny nahazoanao ilay fiara


🛑 Ireo antontan-taratasy ilaina amin'izany ?

👉🏻 Taratasy momba ilay nodimandry :
✅ acte de décès
✅ Déclaration de succession tany amin'ny Centre Fiscal
✅ acte de notoriété
✅ Fanomezan-dalana (procuration) avy amin’ny mpandova rehetra
na acte de partage raha efa nizara lova

👉🏻 Taratasy momba ny fiara :
✅ Carte grise originale
✅ Acte de vente (raha efa nivarotra taminao ny mpandova)
✅ Attestation de non gage raha numéro any amin'ny Faritra.
✅ Contrôle technique manankery

👉🏻 Taratasy momba anao ( tompony vaovao ) :
✅ Photocopie CIN certifié
✅ Certificat de résidence


🛑 Ireo dingana mila harahina :

✅ Atao mazava tsara amin'ny mpandova rehetra fa amidy ilay fiara
✅ Manao taratasy ara-dalàna : Acte de vente légalisé eny amin'ny Commune.
✅ Manangona ny dossiers rehetra ary manao mutation eny amin’ny CIM.

⚠ Tsy sarotra ny mikarakara azy io raha efa voaomana tsara daholo ny taratasy rehetra.


👉🏻 Inona indray no lohahevitra tianao horesahina manaraka ? Alefaso ao amin'ny commentaire 😊

__________

🔵🔴 Ny Agence MTR dia namanao amin'ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra
🔵🔴 Raha mila fanampiana ara-taratasy dia aza misalasala manantona na miantso mivantana anay tompoko 😊🙏🏻

📍 Ambohidahy Ankadindramamy Tana V
☎ Appel / WhatsApp : +261 34 27 576 43

IRETO MISY KARAZANA TRANGA MATETIKA MAMPIFANDRITAKA NY MPIANAKAVY 🏡👇🏻Maro ny disadisa amin'ny resaka fandovana no hatera...
30/07/2026

IRETO MISY KARAZANA TRANGA MATETIKA MAMPIFANDRITAKA NY MPIANAKAVY 🏡👇🏻

Maro ny disadisa amin'ny resaka fandovana
no hateraky ny tsy fahafantarana ny lalàna tena marina . Tadidio ary fa tsy izay rehetra heverina ho mpandova akory no tena manana zo amin'ny fandovana ...

__________

🛑 Ireto misy tranga tena fahita matetika :

1️⃣ Manana zo handova ve ny zanaka natsangana ara-dalàna ?

👉🏻 ENY ! Raha nisy fananganan-jaza ara-dalàna nankatoavin'ny Fitsarana, dia eken'ny lalàna ho zanaka ilay zaza. Midika izany fa manana zo amin'ny fandovana izy, araka ny fepetra mihatra amin'ilay fananganan-jaza.

👉🏻 Tsy ampy anefa ny hoe notezaina tao an-trano na nantsoina hoe " zanaka " fotsiny . Fa mila misy taratasy fananganan-jaza ara-dalàna na taratasy didim-pananana na Didy miafina manamarina izany.


2️⃣ Manana zo handova ve ny zanaka
notezaina fotsiny ?

👉🏻 TSY VOATERY ! Betsaka ny ray aman-dreny mitaiza zaza tsy naterany. Na dia lehibe tao amin'izy ireo aza ilay zaza dia tsy lasa mpandova ara-dalàna ho azy izany izy raha tsy misy nisy fananganan-jaza ara-dalàna tao na Didim-pananana na Didy miafina navelan'ny maty.


3️⃣ Manana zo handova ve ny zanaka avy amin'ny fanambadiana faharoa ?

👉🏻 ENY ! Ny lalàna dia tsy manavaka ny zanaka noho ny filaharan'ny fanambadian'ny ray aman-dreniny . Noho izany dia manana zo mitovy amin'ny zanaka hafa izy, raha voamarina ara-dalàna ny maha-zanaka azy.


4️⃣ Manana zo handova ve ny zanaka teraka ivelan'ny fanambadiana ?

👉🏻 METY HO ENY ! METY HO TSIA!
Tsy ny toerana nahaterahana no mamaritra ny zo handova fa ny fanamarinana ara-dalàna ny fihaviany.

👉🏻 Raha eken'ny lalàna ny maha-zanaky ny nodimandry azy ( ohatra hoe voasoratra ara-dalàna na efa neken'ny ray ), dia mety hanana zo amin'ny fandovana izy.
NA misy didy miafina na Didim-pananana navelan'ny maty manondro fa isan'ny mandova izy.


5️⃣ Manana zo handova ve ny vady efa nisara-panambadiana ?

👉🏻 TSIA AMIN'NY ANKAPOBENY ! Raha efa nisy didim-pitsarana nanamarina ny fisaraham-panambadiana talohan'ny nahafatesan'ny iray , dia tsy heverina ho vady intsony ilay olona ka tsy isan'ny mpandova amin'ny maha-vady azy.


6️⃣ Manana zo handova ve ny olona niara-nipetraka fotsiny nefa tsy nivady ara-dalàna ?

👉🏻 TSIA ! Na dia niara-niaina nandritra ny taona maro aza, raha tsy nisy fanambadiana eken'ny lalàna dia tsy mahazo zo handova ho azy ilay olona. Fa raha misy fananana niaraha-nahazo kosa dia mety hisy dingana hafa momba ny fanaporofoana ny zo amin'izany fananana izany.
SAINGY KOSA
Raha misy didy miafina na Didim-pananana navelan'ny maty manondro fa mandova ny fananany izy dia hafa indray.


7️⃣ Manana zo handova ve ny zafikely?

👉🏻 MIANKINA AMIN'NY TOE-JAVATRA ! Raha mbola velona ny rainy na reniny, dia matetika ny ray na reniny no mandova . Fa raha efa nodimandry ilay ray na reny talohan'ilay tompon'ny lova, dia mety hisolo toerana azy ny zanany ( zafikely ), arakaraka ny fepetra ara-dalàna.


8️⃣ Manana zo handova ve ny zanaka mbola tsy ampy taona ?

👉🏻 ENY ! Tsy very zo amin'ny lova ny zaza noho izy mbola tsy ampy taona . Ny solontenany ara-dalàna kosa no miaro ny zony sy mikarakara ny antontan-taratasy mandra-pahalehibeny.


🛑 Antontan-taratasy ilaina matetika

✅ Acte de décès : manamarina fa nodimandry ilay tompon'ny lova.
✅Acte de notoriété:
Taratasy fanamarinana maham-pandova
✅ Kopia nahaterahan'ny mpandova : manaporofo ny rohim-pihavanana amin'ilay nodimandry.
✅ Kara-panondro : manamarina ny mombamomba ny mpandova tsirairay.
✅ Bokim-pianakaviana ( raha misy ) : manampy amin'ny fanamarinana ny firafitry ny fianakaviana.
✅ taratasy momba ny fananana rehetra :Tany, Fiara, orinasa,sns....
✅ Tombam-pananana(déclaration de succession) rehefa vita ito dia mahazo certificat de paiement
✅ Didim-pitsarana momba ny fananganan-jaza ( raha ilaina ) : Ilaina raha zanaka natsangana ara-dalàna no voakasika.
✅Didy miafina na Didim-pananana izay nataon'ny maty manondro ny mpandova azy sy ny mety ho anjaran'ny tsirairay.


⚠ Ny raharaha fandovana dia tsy mitovy avokoa. Fa miankina betsaka amin'ny antontan-taratasy misy sy ny tantaran'ny fianakaviana ary ny didy izay navelan'ny maty.


👉🏻 Inona indray no lohahevitra tianao horesahina manaraka ? Alefaso ao amin'ny commentaire 😊

__________

Raha mila fanampiana ara-taratasy dia aza misalasala manantona na miantso mivantana anay tompoko 😊🙏🏻

📍 Birao : Ambohidahy Ankadindramamy
☎ Appel / Whatsapp : +261 34 27 576 43

MISY IRAY AMIN'IREO MPANDOVA NO TSY TE HIVAROTRA NY ANJARA LOVANY . INONA NO TOKONY ATAO ? 🏡👇🏻Maro ny olona no miatrika ...
27/07/2026

MISY IRAY AMIN'IREO MPANDOVA NO TSY TE HIVAROTRA NY ANJARA LOVANY . INONA NO TOKONY ATAO ? 🏡👇🏻

Maro ny olona no miatrika izao olana izao rehefa hivarotra anjara lova. Efa manaiky ny ankamaroan'ny mpandova, saingy misy iray na maromaro tsy manaiky hivarotra ny azy fa hampiasa izany. Dia ahoana ary no vahaolana ...

__________

🛑 Inona no tokony ho fantatra ?

👉🏻 Raha mbola tsy voazarazara ara-dalàna ny lova, dia fananana iombonan'ny mpandova rehetra. Midika izany fa tsy afaka amidy amin'ny ankapobeny ilay izy raha tsy misy ny fankatoavan'ireo tompony rehetra.

👉🏻 Na izany aza dia tsy midika akory izany fa tsy misy vahaolana mihintsy


🛑 Inona avy ireo safidy azo atao ?

1️⃣ ❎ Partage à l'amiable : Miezaka mifampiraharaha aloha :

👉🏻 Ny fifampiresahana no dingana voalohany sy tsara indrindra. Indraindray dia noho ny tsy fahazoana vaovao na antony manokana no tsy aneken'ilay mpandova.
👉🏻 Rehefa milamina ny fifampiresahana samy mpandova dia manatona Notaire na Officier public atao an-tsoratra ofisialy ilay fizarana.
👉🏻 Tsara tohizana ny dingana rehetra toy ny Autorisation de transaction immobilière any amin'ny SRAT sy ny Enregistrement any amin'ny Centre Fiscal ary ny Mutation eny amin'ny Domaine,sns....mba hampilamina ny tsirairay.

2️⃣ ❎ Partage judiciaire : Manatona Fitsarana raha tsy misy marimaritra iraisana :

👉🏻 Raha tsy mety voavaha amin'ny fifampiresahana ny olana, dia afaka manatona ny Fitsarana ny mpandova mba hangataka ny fizarana ara-dalàna na ny fanapahan-kevitra mifanaraka amin'ny lalàna. Ny Fitsarana no handinika ny raharaha sy hamoaka fanapahan-kevitra.


🛑 Ireo antontan-taratasy mety ilaina :

✅ Kopian'ny kara-panondron'ny mpandova rehetra
✅ Acte de naissance sy acte de tutelle raha misy zaza tsy ampy taona ny mpandova
✅ Taratasy nahafatesan'ilay tompony (Acte de décès)
✅ Acte de notoriété(fanamarinana maham-pandova)
✅ manamarina ny fananan-tany(juridique -3mois)
✅ Taratasy hafa mety takian'ny Fitsarana na ny tompon'andraikitra
✅ Miankina amin'ny toe-javatra sy ny fizotry ny raharaha.


⚠ Miankina amin'ny antontan-taratasy misy, ny isan'ny mpandova ary ny satan'ilay fananana no hamaritana ny dingana tokony harahina. Noho izany dia tsara foana ny manatona matihanina ( Notaire, Avocat, Huissier, Géomètre expert , izahay Agence MTR ) mba hahazoana torohevitra mifanaraka amin'ny
raharahanao.


👉🏻 Inona indray no lohahevitra tianao horesahina manaraka ? Alefaso ao amin'ny commentaire 😊

__________

Raha mila fanampiana ara-taratasy dia aza misalasala manantona na miantso mivantana anay tompoko 😊🙏🏻

📍 Birao : Ambohidahy Ankadindramamy
☎ Appel / Whatsapp : +261 34 27 576 43

AHOANA  INDRAY KOSA ARY NY MAHAKASIKA NY FANDOVANA SY NY FIZARAM -- PANANANA 🏡👇🏻__________🛑 Inona moa ny atao hoe fandov...
25/07/2026

AHOANA INDRAY KOSA ARY NY MAHAKASIKA NY FANDOVANA SY NY FIZARAM -
- PANANANA 🏡👇🏻

__________

🛑 Inona moa ny atao hoe fandovàna sy fizarana?

👉🏻 Araky ny lalàna , ny fandovàna dia famindràna ny fanànana navelan'ny maty ho an'ireo izay mpandova azy. Tsy azo atao noho izany ary voarara tanteraka ny mandova olona mbola velona


🛑 Ny antony tena maha zava-dehibe azy ?

✅ Hisorohana olana sy ady eo amin’ny mpandova : Satria ny tsy fanaovana izany dia mety hitarika disadisa eo amin'ny fianakaviana izay mety hahatonga ny anjarany tsy hitovy

✅ Hahafahana mampiasa ara-dalàna ny fananana . Satria raha mbola tsy ara-dalàna ny taratasy mikasika ny fandovàna dia :
❎ Tsy afaka mivarotra tany na trano
❎ Tsy afaka manofa
❎ Tsy afaka mampiditra banky
❎ Tsy afaka manova anarana amin’ny taratasy

✅ Fanajana ny lalàna sy ny fanjakana . Satria tena ilaina ny fisoratana anarana amin’ny fanjakana hialana amin'izay mety ho olana ara-pitsarana

✅ Hisorohana fakàna an-keriny na fanararaotana . Satria mety ho alain’olona ny tany , mety ho ampangain’olona hafa ho tompony ary mety hisy hosoka amin’ny taratasy

✅ Ho an’ny taranaka any aoriana . Mba tsy ho vesatra ho an’ny zanaka no tsy hiteraka ady ho an’ny taranaka


🛑 Inona kosa ny atao hoe mpandova ?

👉🏻 Ny mpandova dia ilay olona na ireo olona izay antsoin’ny lalàna voatendry handray ny fananana, ny zo, ary indraindray koa ny adidy na testament navelan’ny olona maty.


🛑 Mety hiseho amin'ny endriny roa izy io :

✅ Succession légale :
👉🏻 Izany hoe ny Lalàna no mamaritra sy manome alàlana hoe iza avy no mpandova sy ny anjaran’izy ireo.

✅ Succession testamentaire :
👉🏻 Io indray dia taratasy fizaram-pananana natao alohan’ny nahafatesan' ilay tompon'ny fananana.


🛑 Ahoana kosa ny filaharan'ny mpandova ?
Toy izao ny tokony ho filaharan'ny mpandova :

1️⃣ Ny Zanaka :
✅ zanaka ara-dalàna.
✅ zanaka nateraka tao anaty fanambadiana.
✅ zanaka nateraka ivelan’ny fanambadiana nefa voaray ara-dalàna.
✅ zanaka natsangana ara-dalàna raha eken’ny lalàna amin’ny fepetra manankery.
✅ zafikely sy taranaka manaraka, amin’ny alalan’ny représentation.

2️⃣ Ny Ray aman-dreny niteraka :
Raha tsy misy zanaka sy taranaka intsony ilay tompon'ny lova izay maty, dia miditra amin’ny fandovana ny :
✅ Ny Ray sy Reny
✅ Ny rahalahy sy anabavy
✅ Ny zanaky ny rahalahy/anabavy

3️⃣ Ny mpiray tampo sy Zanaky ny iray tampo amin'ny R.A.D :
Raha tsy misy , zanaka, zafikely, ray, reny , rahalahy, anabavy, na taranaka dia izay akaiky indrindra amin’ny rohy ara-pihavanana no alaina aloha.

4️⃣ Ny Vady vita soratra ara-panjakàna :
✅ Nisoratra ara-dalàna ny fanambadiana.
✅ Eken’ny lalàna Malagasy.

⚠ Ny fiarahana fotsiny tsy misy fanambadiana ara-dalàna dia tsy manome zo ho mpandova ara-dalàna, raha tsy hoe misy testament na rafitra ara-dalàna manokana.

5️⃣ Ny Fanjakana : Raha tsy misy havana ara-dalàna mandova, dia mety ankinina amin’ny Fanjakana ny fananana


👉🏻 Maro ny olona no diso sy mieritreritra hoe rehefa maty ny vady dia ny fananana rehetra dia lasa lova . Tsy marina izany fa mila havahana tsara ny hoe fananana iombonana sy ny fananana manokan'ilay maty.


👉🏻 Inona indray no lohahevitra tianao horesahina manaraka ? Alefaso ao amin'ny commentaire 😊

__________

Ny Agence MTR dia namanao amin'ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra 😊

📍 Birao : Ambohidahy Ankadindramamy
☎ Appel / Whatsapp : +261 34 27 576 43

ARAKY NY HEVITRAO ? 😊👇🏻Rehefa hividy tany iray ve dia ny taratasy sa ilay tany no tokony ho jerena mialoha ?
21/07/2026

ARAKY NY HEVITRAO ? 😊👇🏻

Rehefa hividy tany iray ve dia ny taratasy sa ilay tany no tokony ho jerena mialoha ?




MIHEVITRA NY HIVIDY TANY VE IANAO ? TENA MILA FITANDREMANA 🏠👇🏻Ny fividianana tany dia fampiasam-bola lehibe. Koa alohan'...
16/07/2026

MIHEVITRA NY HIVIDY TANY VE IANAO ? TENA MILA FITANDREMANA 🏠👇🏻

Ny fividianana tany dia fampiasam-bola lehibe. Koa alohan'ny hanomezanao vola dia tsara ny manamarina ireto teboka ireto mba hisorohana ny olana any aoriana.

__________

1️⃣ Tany amidy mora loatra
👉🏻 Raha ambany be noho ny vidin'ny tsena ny vidiny dia mila mailo. Mety misy olana miafina toy ny ady amin'ny tany, taratasy tsy ara-dalàna na olana hafa.

2️⃣ Tsy misy "Titre Foncier" na "Certificat Foncier"
👉🏻 Ny tany tsy manana taratasy ara-dalàna dia mety hiteraka olana rehefa misy olona hafa milaza ho tompony.

3️⃣ Mbola misy ady na "litige"
👉🏻 Aza mividy tany raha mbola misy raharaha eny amin'ny fitsarana na olona maro mifanditra amin'ny maha tompony azy.

4️⃣ Tsy mitovy ny taratasy sy ny tena zava-misy
👉🏻 Ohatra : 500 m² no voasoratra amin'ny taratasy nefa rehefa refesina dia latsaka lavitra noho izany. Tokony hojerena tsara izany alohan'ny hividianana.

5️⃣ Tsy mbola vita ny "bornage"
👉🏻 Raha tsy voafaritra mazava ny sisin-tany dia mety hiteraka disadisa amin'ny mpifanolo-bodirindrina rehefa hanorina na hampiasa ilay tany.

6️⃣ Misy "hypothèque" na trosa
👉🏻 Mety efa natao antoka tany amin'ny banky ilay tany. Raha tsy voaloa ny trosa dia mety hisy fiantraikany amin'ny tompony vaovao.

7️⃣ Ao anatin'ny faritra voarara hanorenana
👉🏻 Misy tany sasany ao amin'ny "zone protégée" na "zone rouge" ka voafetra na voarara ny fanorenana.

8️⃣ Ao anatin'ny domaine public
👉🏻 Ny tany akaikin'ny lalana, renirano na toerana natokan'ny fanjakana dia mety tsy azo amidy ara-dalàna.

9️⃣ Tsy mbola voasoratra ara-dalàna ny fifampivarotana
👉🏻 Ny fanoratana sy ny fisoratana anarana ara-panjakana dia dingana lehibe hiarovana ny zon'ny mpividy.

🔟 Tsy misy lalana fidirana
👉🏻 Na dia tsara toerana aza ilay tany, raha tsy misy lalana ara-dalàna hidirana dia mety hanasarotra ny fanorenana sy ny fivarotana azy any aoriana.


⚠ Mialohan'ny hividianana tany dia ataovy voamarina avokoa ny taratasy sy ny satan'ilay tany.


👉🏻 Inona indray no lohahevitra tianao horesahina manaraka ? Alefaso ao amin'ny commentaire 😊

__________

Ny Agence MTR dia namanao amin'ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra 😊

📍 Ambohidahy Ankadindramamy Tana V
☎ Appel / Whatsapp : +261 34 27 576 43

RAHA SENDRA MPISOLOKY AMIN'NY FIVIDIANANA TANY DIA INONA NO TOKONY ATAO ? 🏠👇🏻Misy olona milaza ho mpivarotra tany na age...
14/07/2026

RAHA SENDRA MPISOLOKY AMIN'NY FIVIDIANANA TANY DIA INONA NO TOKONY ATAO ? 🏠👇🏻

Misy olona milaza ho mpivarotra tany na agence immobilière tsy nahazo alalana nefa tsy tompony akory, mitondra olona hijery sy hividy tany izay tsy azy .Tsy azo atao ny mivarotra tany tsy ananana taratasy ara-dalàna ...

__________

🛑 Inona no atao hoe mpisoloky amin’ny resaka tany ?

👉🏻 Ny mpisoloky amin’ny tany dia olona mody milaza fa tompon-tany , mandresy lahatra olona hividy tany , mampiseho taratasy sandoka na koa hoe mampiditra mpividy amin’ny tany tsy azy.

⚠ Matetika izy ireo dia manararaotra amin'ireo tany tsy misy titra mazava , tany tsy voasoratra ara-dalàna na ihany koa tany lova mbola tsy voazara na Tany malalaka tsy misy na inona na inona eo amboniny.


🛑 Ahoana no ahafantarana fa mety ho hosoka ny fivarotana ?

👉🏻 Mila mitandrina ianao raha :
✅ Tsy misy titre foncier na certificat foncier
✅ Tsy miaraka amin’ny tompony tena izy.
✅ Tsy eo anivon’ny notaire na officier public ny fifanarahana
✅ Tsy mazava ny fetra sy ny plan’ny tany
✅ Misy olona hafa milaza fa tompony.

⚠ Tsarovy anefa fa ny titres fonciers sy certificat foncier no tena porofo ara-dalàna momba ny fananan-tany.


🛑 Inona no dingana ara-dalàna tokony hatao raha misy fisolokiana ?

✅ Mijanona tsy manao fifanarahana
✅ Aza manasonia na mandoa vola
✅ Manamarina ny taratasy ao amin'ny Domaine sy ny Topo .
✅ Ataovy fanamarinana raha tena an’ilay olona ilay tany.
✅ Mitatitra any amin’ny manam-pahefana ( Fokontany , Kaominina , Zandary , polisy , na tribunal ) mba hisorohana ny fitohizan’ny fisolokiana.
✅ Manangona porofo ( Hafatra , Audio / vidéo , Anaran’ilay olona , Vavolombelona )


🛑 Inona no lalàna manenjika ny mpisoloky ?

👉🏻 Ny Articles 311,312,313 ao amin'ny Code Pénal Malagasy
✅ Ny tany dia tsy azo amidy raha tsy voaporofo ny fananana azy.
✅ Ny fanararaotana na hosoka dia mety hiteraka sazy ara-dalàna


🛑 Inona no mety hitranga raha tsy mitandrina ?

👉🏻 Raha tsy mitandrina dia mety ho very vola , very tany , Fifandirana amin’ny fianakaviana , raharaha eny amin’ny Fitsarana , sns ...


🛑 Torohevitra mety hanampy anao :

✅ Ataovy ara-dalàna foana ny taratasy
✅ Aza manaiky fifanarahana am-bava
✅ Ataovy eo anatrehan’ny notaire na ny officier public ny varotra
✅ Hamarino hatrany any amin’ny biraom-panjakana ny taratasy.
✅ Aza maika rehefa misy mividy tany


👉🏻 Inona indray no lohahevitra tianao horesahina manaraka ? Alefaso ao amin'ny commentaire 😊

__________

Ny Agence MTR dia namanao amin'ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra 😊

📍 Ambohidahy Ankadindramamy Tana V
☎ Appel / Whatsapp : +261 34 27 576 43

Address

Antananarivo

Telephone

+261342757643

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mikarakara Taratasy Rehetra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category