01/09/2025
Nasehon’ny BAREA an’izao tontolo izao ny haavo-lentan’ny baolina kitra Malagasy.
Vice-Champion d’Afrique isika .
Nampiray fo, nampiray feo ary nampijoro ho iray ny Malagasy rehetra ianareo.
Tsy nitsanga-menatra fa niady hatramin’ny farany ary nitondra avo dia avo ny voninahi-pirenena ianareo ary tantara mipetraka eo amin’ny sehatry ny baolina kitra izany .
Mirehareha izahay tamin’ny lalao nataonareo.
Misaotra ny Malagasy rehetra nanohana ny ekipantsika, ary mankasitraka manokana ho an’ireo nanotrona mivantana.
Mirehareha isika fa mamiratra i Madagasikara mivoatra, tsy kivy ary mandroso.
MISAOTRA BAREA!