28/01/2026
Fanohizana ny vinan’ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany ny amin’ny hanamorana ny fikarakarana ny taratasy tany dia noentina teo amin’ny Filankevitry ny Ministra ny 27 Janoary 2026 ary :
➡️ Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanafoanana ny fampiatoana vonjimaika ny fikarakarana ireo fangatahana sy ireo antontan-taratasy ho an’ny fahalaniana paik’andro manome zo (Prescription Acquisitive) sy ny fanamarinana volavolana didim-panjakana mamaritra ireo fepetra fampiharana ny andininy 82 amin’ny didy hitsivolana laharana faha 60-146 tamin’ny 03 Oktobra 1960 momba ny « régime foncier de l’immatriculation »
➡️ Nofoanana ny didim-panjakana laharana faha2025-697 tamin’ny 18 Jaona 2025 mamaritra ny fepetra fananganana ny « Sommier National des Baux » ho famondronana, fitantanana, fanaraha-maso ireo torohay rehetra momba ny fananan-tany mifandraika amin’ny fifanekena hofan-tany natao tamin’ny Fanjakana Malagasy.