Be-arts Sound

Be-arts Sound Location de matériels de sonorisation

02/10/2026

Akama : Za lesy zany mba te hanana an'ilay Wing ohatran'i Mbola...
Ialahy : Hay i Mbola manana Wing??
Akama : Aaa, tsy manana lery fa lery ko te hanana Wing...🤣🤣🤣🤣

Tsikitsiky kely hamaranana ity herinandro ity e

Ireo fomba fiasa rehetra azo atao raha tiana ho simba haingana ny fitaovana : - rehefa manala câble dia tonga dia sintom...
02/10/2026

Ireo fomba fiasa rehetra azo atao raha tiana ho simba haingana ny fitaovana :

- rehefa manala câble dia tonga dia sintomina mafy fotsiny ilay "fil" dia mitsoaka ho azy eo foana ilay connecteur ❤,
- rehefa mangorona câble dia atao ohatran'ny mamatotra tady ireny : tazomina mafy tsara dia ahodina amin'ny kiho 🥰,
- aza misahirana izany mandamina fa izy voahitsaka iny no mampitombo ny hatanjany 😇,
- rehefa mamono na mamelona ampli dia tonga dia vonoina fotsiny ny interrupteur fa manjary mora simba ilay bouton power iny 😍
- tsy misy ordre izany ny famelona ny table sy ampli fa rehefa vita izay atao dia vonoina izay akaiky anao indrindra 😙
- madio ho azy eny foana ny câbles fa aza mandany fotoana izany manadio fa io anie haloto foana e 🤓,
- housses? mandany vola fotsiny ireny fa efa mafy be anie io plastique fonony io e, mba matoky valera lesy a 😋
- rehefa mipetraka tsara fotsiny ilay baffle dia mety fa tsy misy hoe position tsy mety aminy izany fa olona mila 19 fotsiny ireny miteny hoe tsy mahazo adaboka ireny ny baffle 😝,
- vao vita mihitsy ny ilàna azy dia fonosy haingana aty fonony ilay matôsy sao very ilay hafanana teo dia mba tsy hidiran'ny rivotra izy 🥳,
- jiro fotsiny io "clip" io rehefa mirehitra io fa tsy misy dikany akory 😌,

Ary indrindra indrindra tandremo mi s'abonner amin'ny page Be-arts Sound fa misy toromarika ireny ao raha vao arahina dia lasa mateza ilay fitaovana dia manjary tsy misy handaniana vola indray 😇

Mirary faran'ny herinandro mahafinaritra ho antsika sonorisateur rehetra fa hanomboka ity ny 3 volana farany amin'ity taona ity! Samy ho lafo daholo dia ho lavitry ny olana rehetra e!

Tsy voatery ho musicien ny Tech son fa manana avantage kely izy raha toa sady musicien 🎶🎵✅Misy Tech son tena mahay kanef...
01/10/2026

Tsy voatery ho musicien ny Tech son fa manana avantage kely izy raha toa sady musicien 🎶🎵✅

Misy Tech son tena mahay kanefa tsy mahay mitendry an! Aleo mazava tsara!

Fa misy avantage rehefa musicien ny Tech son :
- mahalala ny language-ny musicien tsara izy, na resaka couleur io na resaka sonorité tadiavina,
- mahalala note diso na marina ka afaka mi-réagir haingana raha ilaina. Izy no any amin’ny façade ka afaka mi-signale ilay guitariste izy amin’ny IEM hoe misy corde mamalana sady mampidina volume izy.
- raha batterie aloha dia tena hitany be mihitsy na eo Amin’ny réglage peaux io na placement micros etc…
- maharaka arrangements kokoa ary afaka mampiaina sy mampihaingo tsara
- mahalala ny besoin an’ny musicien amin’ny retour kokoa
- raha misy musicien pilaka be dia afaka remplacé-ny dia mahazo cachet en plus izy 😂😂😂😂. Izaho aloha dia miala tsiny manokana fa raha vao mamo loatra (tsindriko tsara ilay LOATRA) dia tsy possible mihitsy ny hamoahako ny clavier 😅🤣

Ho an'ireo betsaka mpanontany mikasika ny paiement licence Mixing Station kanefa tsy manana carte visa 👇👇Voalohany aloha...
01/10/2026

Ho an'ireo betsaka mpanontany mikasika ny paiement licence Mixing Station kanefa tsy manana carte visa 👇👇

Voalohany aloha, misy tokoa ny version efa "cracké" fa tsy haiko hoe manao ahoana ny stabilité.

Ity kosa dia ho an'ireo te handoa ilay version officielle. Ny ahy ny fampiasako dia VISA amin'ny Orange Money (tsy manao publicité ho an'io opérateur io aho an 😅).

Ao amin'ny application Orange Money ianao misy fonctionnalité izay ao hoe "Carte Visa" dia iny fotsiny no idirana dia arahina ny toromarika. Tena tsotra farak'izay tsotra.

Ny tena hitako intéressant dia ilay offre "One-time purchase" satria eo amin'ny 80 000 Ariary (17,70 USD) eo ho eo isaky ny type ana table ary afaka ampiasaina amin'ny appareil 4. Remarque kely fotisny, ny license tsy afaka ampiasaina amin'ny plateforme samihafa. Raha ohatra izany iOs no nividianana azy voalohany dia tsy maintsy iOs ihany ny appareils 4 et vice-versa. Mila mandinika tsara izany hoe inona ny appareil tena hiasa sao ka ao amin'ilay iphone no installé ny licence kanefa PC no tena miasa.

Anisan'ny fonctionnalité tena bôgôsy ao?
Ilay APP LINK!

Raha mampiasa appareil 2 ianao (1 ordi dia ny 1 tablette ohatra) dia afaka ampifandraisina ireo appareils roa ireo ka afaka rehefa mi-séléctionner piste 1 amin'ilay ordinateur ianao ohatra dia automatiquement tonga dia séléctionné iny ao amin'ilay tablette izay afaka atao mi-afficher ny EQ sy sends fotsiny ohatra).

Ty tanana eeee 😡😡😡Efa sendra olona fainga-tanana daholo koa angamba isika rehetra ary io tsy mifidy mihitsy fa tena maha...
30/09/2026

Ty tanana eeee 😡😡😡

Efa sendra olona fainga-tanana daholo koa angamba isika rehetra ary io tsy mifidy mihitsy fa tena mahagaga an 😤

Samy miasa isika dia aleo mifanaja fotsiny 😇

Tsy miteny izahay hoe manao izany daholo sao misy mahatsiaro tena visé eo fa misy efa fantatry ny Tech rehetra anie e 😅

Ny fanafodiny hitanay aloha dia vao tapitra dia ireny micro sy fitaovana kely mora alaina ireny no samborina voalohany dia tsy mangorona raha tsy efa Miala daholo ny olona sur scène.

Mba mila tonga saina ianareo mpaka zavatr’olona ireo hoe in-3 na in-4 miasa anie izahay vao mahavidy an’iny fitaovana angalarinao iny e 😞 Izahay koa mamelona vady aman-janaka, mandoa hofan-trano, mila misakafo…

Betsaka loatra izay ny publication entana very zay fa aleo mba mifampitsinjo zareo a

29/09/2026

Be-arts Sound
Location de sonorisation professionnelle.

De l’émotion, du son ❤️

29/09/2026

Nos plus belles réalisations ❤️

Et demain sera encore meilleur! 🔥🔥🔥

29/09/2026

Tsiky eny tsiky no nasetrinao izany ❤️

Inona izany fofona izany??Aiza izany midonaka izany???😂😂😂😂Samy nandalo teo daholo angamba isika Tech son e? 🤣
29/09/2026

Inona izany fofona izany??
Aiza izany midonaka izany???
😂😂😂😂

Samy nandalo teo daholo angamba isika Tech son e? 🤣

28/09/2026

Nahita fonctionnalité tsara sy tena manavotra be 2 za tamin’ny fampiasana MIXING STATION 🔥🔥

Andao ho resahintsika rahampitso e!

Iza no mazoto?

Address

Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Be-arts Sound posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Be-arts Sound:

Shortcuts

Share

Category