PNLIS Programme National de Lutte contre les IST/SIDA

🚹🚹𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐍'𝐍𝐘  IST/ 𝐕𝐈𝐇🧣𝐒𝐈𝐃𝐀🚹🚹🔊🔊🔊RY TANORAZonao ny manda ny firaisana ara-nofoSahia mijoro , Sahia manao ts...
07/10/2026

🚹🚹𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐍'𝐍𝐘 IST/ 𝐕𝐈𝐇🧣𝐒𝐈𝐃𝐀🚹🚹

🔊🔊🔊RY TANORA
Zonao ny manda ny firaisana ara-nofo
Sahia mijoro ,
Sahia manao tsia alohan'ny fanambadiana.

05/10/2026
30/09/2026
Ho fanohizana ny fiaraha-mientan’ny sehatra rehetra amin’ny ady atao amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ...
28/09/2026

Ho fanohizana ny fiaraha-mientan’ny sehatra rehetra amin’ny ady atao amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo sy ny tsimokaretina VIH/Sida dia notanterahina tamin’ny andron’ny 28 Septambra 2026 ny fanentanana sy fitiliana ara-pahasalamana ireo mpitandro filaminana izay niarahan’ny ekipa PNLIS, MAD’AIDS ary ny ekipa misahana ny VIH/Sida eo anivon’ny Ministeran'ny filaminam-bahoaka.
Ny mpitandro filaminana tao amin’ny « Commissariat de sĂ©curitĂ© publique du 6Ăšme arrondissement Ambohimanarina » indray moa no nisitraka izany tamin’ity.
Ireto avy no nifampizarana nandritra izany hetsika izany :
- ny famaritana ny VIH sy ny Sida
- ny zava-misy ankehitriny momba ny IST VIH/Sida sy mpox eto Madagasikara.
- Ny fomba fifndrany sy ny tsy ifindrany ary ireo fomba fisorohana.
Taorian'ny fanentanana dia niroso avy hatrany amin'ny fanaovana fitiliana ireo mpitandro filaminana mba hahafantarany ny toe-pahasalamany niarahana t@ ekipan'ny MAD'AIDS.
Tsy misoratra eny amin’ny andrina ny VIH fa "Ny fitiliana irery ihany no ahafantaranao na mitondra ny tsimokaretina VIH ianao na tsia"
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany, teo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny lanonana famara...
11/09/2026

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany, teo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny lanonana famaranana sy fampahafantarana ny vokatry ny tetikasa SYCAVI (Systùme Communautaire d’Alerte sur le VIH).
Tanjona lehibe tamin’izao fotoana izao ny fanaovana tomban’ezaka sy ny fampaharetana ny paikadim-pirenena amin’ny ady amin’ny tsimokaretina VIH eto Madagasikara.
Maneho fankasitrahana feno an’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ary ireo fikambanana mpanatanteraka (AINGA/AIDES, Expertise France, L’Initiative, AFSA, ary Mad’AIDS) ny Minisitera noho ny fanoloran-tenan’izy ireo.
Maro ny voka-tsoa azo tamin’ny alalan’ny tetikasa, toy ny fanamorana ny fidirana amin’ny fitsaboana ho an’ireo sokajin’olona marefo sy ireo miaina miaraka amin’ny VIH, fanamafisana ny fanohanana eny anivon’ny fiarahamonina, ary fampifandraisana maharitra ny mpisitraka tamin’ireo Tobimpahasalamana.
Nanolotra fisaorana manokana ho an’ireo « pairs-Ă©ducateurs » ihany koa ny Minisitera, satria vato fehizoro fototra eo amin’ny rafitra fiahiana ara-pahasalamana izy ireo.
Na mifarana aza ny tetikasa, laharam-pahamehana ny fitazonana maharitra ireo zava-bita ho fiantohana ny fitohizan’ny tolotra sy hanamafisana ny hetsika iombonana manerana an’i Madagasikara.
— PNLIS

La cĂ©rĂ©monie de clĂŽture et de capitalisation du projet SYCAVI (SystĂšme Communautaire d’Alerte sur le VIH) s'est ouverte aujourd'hui.
Sous l'égide du MinistÚre de la Santé Publique, cet événement vise à disséminer les résultats et pérenniser la riposte nationale contre le VIH à Madagascar.
Le ministĂšre remercie chaleureusement l'ensemble des partenaires techniques, financiers et opĂ©rationnels (AINGA/AIDES, Expertise France, L’Initiative, AFSA, Mad’AIDS) pour leur engagement.
Sur le terrain, le projet a concrĂštement amĂ©liorĂ© l’accĂšs aux soins des populations clĂ©s et des personnes vivant avec le VIH, renforcĂ© l’accompagnement communautaire et rapprochĂ© durablement les usagers des structures mĂ©dicales.
Un hommage appuyé a également salué les pairs-éducateurs et médiateurs, maillons essentiels du dispositif de soins.
Enfin, la pérennisation des acquis de SYCAVI reste indispensable pour assurer la continuité des services à Madagascar.

Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka
Direction Générale de la Médecine Préventive
Direction de Lutte contre les Maladies Transmissibles



PNLIS

VIH : AZA MANAIKY VOAREBIREBY AMIN’NY FITSABOANA TSY MAHOMBY❌ Aza mino ny “fanafody mahasitrana VIH” amidy miparitaka am...
10/09/2026

VIH : AZA MANAIKY VOAREBIREBY AMIN’NY FITSABOANA TSY MAHOMBY

❌ Aza mino ny “fanafody mahasitrana VIH” amidy miparitaka amin’ny tambajotra sosialy.
💊 ARV ihany no fitsaboana voaporofo sy mahomby, eo ambany fanaraha-mason’ny mpiasan’ny fahasalamana.
✅ Maimaimpoana ny ARV.

❀ Aza manaiky voarebireby sy voafitaka. Manatona Tobimpahasalamana!

FISOROHANA SY FANAOVANA FITILIANA AMIN’NY ADY ATAO AMIN’NY IST VIH/SIDAHo fanohizana ny fiaraha-mientan’ny sehatra rehet...
08/09/2026

FISOROHANA SY FANAOVANA FITILIANA AMIN’NY ADY ATAO AMIN’NY IST VIH/SIDA
Ho fanohizana ny fiaraha-mientan’ny sehatra rehetra amin’ny ady atao amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo sy ny tsimokaretina VIH/Sida dia notanterahina tamin’ny andron’ny 07 Septambra 2026 ny fanentanana sy fitiliana ara-pahasalamana ireo mpitandro filaminana izay niarahan’ny ekipa PNLIS, MAD’AIDS ary ny ekipa misahana ny VIH/Sida eo anivon’ny Ministeran'ny filaminam-bahoaka.
Ny mpitandro filaminana tao amin’ny « Commissariat de sĂ©curitĂ© publique du 7Ăšme arrondissement 67Ha » indray moa no nisitraka izany tamin’ity.
Ireto avy no nifampizarana nandritra izany hetsika izany : ny zava-misy ankehitriny momba ny IST VIH/Sida sy mpox eto Madagasikara. Ny fomba fifindrany ary ireo fomba fisorohana.
Taorian'ny fanentanana dia niroso avy hatrany amin'ny fanaovana fitiliana ireo mpitandro filaminana mba hahafantarany ny toe-pahasalamany.
Tsy misoratra eny amin’ny andrina tokoa ny VIH fa "Ny fitiliana irery ihany no ahafantaranao na mitondra ny tsimokaretina VIH ianao na tsia"
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when PNLIS posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category