Pejy mg

Pejy mg Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Pejy mg, Contractor, Partout dans, Antananarivo.

✨Zoma ihany e... dia tampotampoka banga be ny porte-monnaie ! 😂💸Aza mandainga fa efa nandalo tamin'io daholo isika. 😅Tsi...
31/07/2026

✨Zoma ihany e... dia tampotampoka banga be ny porte-monnaie ! 😂💸

Aza mandainga fa efa nandalo tamin'io daholo isika. 😅
Tsitsitsio ihany ny aina sy ny vola .😌

🥟🧀  MBOLA ILAHATRA SAMBOSA FOANA VE NEFA EFA ITO NY RECETTE ‼️Androany dia mizara recette tsotra, matsiro ary mety tsara...
18/06/2026

🥟🧀 MBOLA ILAHATRA SAMBOSA FOANA VE NEFA EFA ITO NY RECETTE ‼️

Androany dia mizara recette tsotra, matsiro ary mety tsara ho an'ny goûter, apéritif, na sakafo maivana iarahana amin'ny fianakaviana izahay.

✨ Akora ilaina :
• 250 g blanc de poulet efa masaka sy voatetika madinika
• 150 g fromage râpé
• Tongolo 1 voatetika manify
• Ravina persil vitsivitsy
• Pate sambosa
• Sira sy dipoavatra
• Menaka hanendasana

👩‍🍳 Fikarakarana azy :
1️⃣ Endaso aloha ny tongolo mandra-pahazo loko volamena.
2️⃣ Ampio ny blanc de poulet voatetika, ny persil, ny sira ary ny dipoavatra.
3️⃣ Avela hangatsiaka kely, avy eo arotsahy ny fromage râpé.
4️⃣ Asio sotro iray amin'ilay fangaro eo ambonin'ny feuille de brick tsirairay, dia aforitra ho endrika telozoro.
5️⃣ Endaso anaty menaka mafana mandra-pahazo loko volamena sy ho tena crispy.

😍 Ny vokany ?
Sambo manify sy crispy be ivelany, feno akoho sy fromazy mitsonika ao anatiny, ka tena mampilendalenda isaky ny manaikitra azy.

💡 Torohevitra :
Aroso miaraka amin'ny sauce pimentée na salade fraîche mba hampiavaka kokoa ny tsirony.

😋👇 Iza no te hanandrana an'ireto sambo fromage sy poulet ireto androany? Lazao aminay ao anaty commentaire!

🔥 Astuce “jus brûle graisse” mora atao ao an-trano 👀Carotte 🥕 + pomme 🍏 + orange 🍊 + gingembre Tsy vitan’ny hoe mamelomb...
11/06/2026

🔥 Astuce “jus brûle graisse” mora atao ao an-trano 👀

Carotte 🥕 + pomme 🍏 + orange 🍊 + gingembre
Tsy vitan’ny hoe mamelombelona fa manampy ihany koa amin’ny sensation ventre léger ✨

Sotroina maraina na mandritra ny journée 😋
Fa tsarovy ihany: ny résultat tsara indrindra dia miaraka amin’ny alimentation équilibrée sy mouvement 😉💚

🧀✨ Neny mendrika sakafo manokana amin'ity Fetin'ny Reny ity! ❤️Raha te hampitsiky azy ianao dia andramo ity Gratin de Pâ...
30/05/2026

🧀✨ Neny mendrika sakafo manokana amin'ity Fetin'ny Reny ity! ❤️
Raha te hampitsiky azy ianao dia andramo ity Gratin de Pâtes au Fromage mora sy matsiro be ity 😍👇

🍝 Akora ilaina :
✅ 250 g pâtes
✅ 20 cl crème fraîche
✅ 200 g fromage râpé
✅ 1 tongolo
✅ Sira sy dipoavatra
✅ Dibera kely

👩‍🍳 Fikarakarana :
1️⃣ Andrahoy ny pâtes
2️⃣ Endaso amin'ny dibera ny tongolo voatetika.
3️⃣ Afangaroy ny pâtes, crème fraîche, tongolo, antsasaky ny fromage, sira ary dipoavatra.
4️⃣ Ataovy anaty plat à gratin.
5️⃣ Araraka eo amboniny ny fromage sisa.
6️⃣ Ampidiro anaty lafaoro 20-25 minitra mandra-pahatonga azy ho volamena tsara tarehy.

🤤 Vokany? Fromazy mitsonika, pâtes malefaka, ary tsiro tsy hay tohaina!

💬 Raha mahandro an'ity ho an'i Neny ianao dia ataovy ❤️ ao anaty commentaire!

Rehefa noana tampoka nefa tsy te handany vola be any @ Resto 😭🍽️… ity recette ity mora nefa matsiro beeeIndro ary ny Rec...
21/05/2026

Rehefa noana tampoka nefa tsy te handany vola be any @ Resto 😭🍽️… ity recette ity mora nefa matsiro beee

Indro ary ny Recette “Pâtes crémeuses au fromage” 🧀🍝
Ingredients :
• Pâtes
• Crème liquide na lait
• Fromage
• Tongolo gasy
• Sira & poivre
• Saucisse na jambon

Préparation :
1️⃣ Andrahoy ny pâtes
2️⃣ Endaso kely amin’ny beurre ny tongolo gasy
3️⃣ Arotsahy ny crème na lait
4️⃣ Ampio fromage dia afangaro mandra-pahacrémeux azy 😍
5️⃣ Ataovy ao ny pâtes sy saucisse
6️⃣ Afangaro tsara dia vonona !

😋 Mora atao ary tena mampilendalenda !

📩 Tagueo ilay namanao noana lava nefa kinkina be💸 😂

🔥 AOKA IZAY ILAY MANDANY VOLA BE @ DORITOS 😭Afaka manao “Doritos maison” crispy be ao an-trano ianao 😍Crunchy, matsiro, ...
16/05/2026

🔥 AOKA IZAY ILAY MANDANY VOLA BE @ DORITOS 😭
Afaka manao “Doritos maison” crispy be ao an-trano ianao 😍

Crunchy, matsiro, ary tena mety atao snack rehefa mijery film, miresaka miaraka amin’ny namana, na rehefa te hihinana zavatra “grignotage” 😋🔥

✨ Bonus : Azonao ovaina arakaraka ny goût-nao ilay assaisonnement :
🌶️ épicé
🧀 cheesy
🧄 ail & fines herbes
🍋 citronné

Ary ny tena tsara ?
👉 Mora atao
👉 Tsy mandany vola be
👉 Vita ao anatin’ny minitra vitsy 😍

📌 Iza amin’ireo saveur ireo no tianao andramana voalohany ?
Lazao ao anaty commentaire 👇🔥

HIDIRAN'NY RIVOTRA FOANA VE IANAO ??? 😅Mety tsy aretina be akory. Misy zavatra 5 mety mahatonga izany 👇1️⃣ Mihinana maik...
12/05/2026

HIDIRAN'NY RIVOTRA FOANA VE IANAO ??? 😅
Mety tsy aretina be akory. Misy zavatra 5 mety mahatonga izany 👇

1️⃣ Mihinana maika loatra
Rehefa tsy mitsako tsara ianao, dia mitelina rivotra betsaka.

2️⃣ Boissons gazeuses be loatra
Coca, Soda, limonade, rano misy gaz… mampitombo rivotra ao an-kibo.

3️⃣ Sakafo sasany
Tsaramaso, laisoa, ronono, sakafo matavy na mamy be… mety mampisy gaz amin’ny olona sasany.

4️⃣ Constipation
Rehefa tsy mandeha tsara ny fivalanana, dia mety hihitsoka koa ny rivotra.

5️⃣ Stress
Eny, mety hikorontana koa ny kibo rehefa be adin-tsaina ianao.

👉 Matetika, ny vahaolana dia tsotra :
mihinàna miadana, mitsakoa tsara, ahenao ny gaz, ary fantaro izay sakafo tsy zakanao.

Iza amin’ireo no tena mahazo anao ? 🧐
Soraty ao amin’ny commentaire 👇

TSY WERAWERA FOTSINY IO KAH!😳 Efa nampiasa servieta nandritra ny taona maro ve ianao… nefa tsy mbola nahalala mihitsy ho...
09/05/2026

TSY WERAWERA FOTSINY IO KAH!
😳 Efa nampiasa servieta nandritra ny taona maro ve ianao… nefa tsy mbola nahalala mihitsy hoe inona no tena asan’ilay tsipika eo amin’ny servieta? 👀

Tsy haingo fotsiny io an! 🔍
Io faritra io dia antsoina hoe “bande de tissage” na sisiny voatenona manokana.

Hafa amin’ny ambin’ilay servieta izy satria:
✔️ matevina kokoa
✔️ voatenona mafy kokoa
✔️ natao haharetan’ny servieta ela kokoa

Izao no tena asany
🧵 Manamafy ny servieta
Misoroka azy tsy hiolana na hiova endrika rehefa sasana matetika

🧼 Mampaharitra azy
Manakana ny lamba tsy hihintsana na ho simba haingana

💧 Manampy azy ho maina vetivety
Tsy mitroka rano be io faritra io ka manafaingana ny fahamainany

📐 Mitazona ny endriny tsara
Mba hijanona ho milamina sy tsara tarehy foana ilay servieta

Tsy haingon’ny servieta akory io… fa “secret” kely mampaharitra azy sy mitazona azy ho mahomby ela kokoa 😮

👉 Zarao amin’olona mbola tsy mahalala an’io aloha eh!

🎉 Rehefa misy lanonana ao an-trano… misy “poste” tsy maintsy raisina foana 😭😂Fa ianao kosa… iza amin’ireto no tena “tale...
08/05/2026

🎉 Rehefa misy lanonana ao an-trano… misy “poste” tsy maintsy raisina foana 😭😂
Fa ianao kosa… iza amin’ireto no tena “talenta”-nao ? 👀👇

🍲 1. Ilay olona mahandro foana
“Za no avela ao an-dakozia fa sao may ny laoka 😌🔥”
Izy no mifoha maraina indrindra, manandrana sira in-10, ary tezitra rehefa misy mitsongo hena 😭😂

🛒 2. Ilay irahina miantsena
“Vidio tongolo, voatabia, menaka… fa aza adino ny coca!”
Mandeha tsena in-3 satria misy zavatra hadino foana 🤣
Ary izy ihany no mahafantatra hoe aiza no mora sy tsara kalitao 😎

🍽️ 3. Ilay manasa vilia no talentany
Rehefa tapitra ny fety… dia izy no miady irery amin’ny vilia be tendrombohitra 😭💔
Mbola misy cousin manjavona tsy hita rehefa fotoana fanasana vilia 😂

Mentionneo ilay cousin/cousine :
🍲 “Chef officiel”
🛒 “Iraka course”
🍽️ “Minisitry ny vaisselle” 😭😂

TENA MISY MANAO LAOKA JUMBO TOKOA VE ?? 😂 🍚 Rehefa tsy dia manam-bola iny… dia manao laoka hafa kely 😭Andao mba samy hit...
07/05/2026

TENA MISY MANAO LAOKA JUMBO TOKOA VE ?? 😂

🍚 Rehefa tsy dia manam-bola iny… dia manao laoka hafa kely 😭
Andao mba samy hiteny ny laoka miavaka fanaony e 😂

Ohatra: sira, kasoka menaka, ....

👇 Lazao ao @ commentaire mba hifampitsinjovana rehefa sendra andro sarotra iny 🤣🔥

Address

Partout Dans
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Pejy mg posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category