17/07/2026
𝗜𝘁𝗼 𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮𝘆 𝗻𝘆 𝗽𝗿𝗼𝗷𝗲𝘁 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗸𝗮 ! 🏗️
Nantsoina izahay hanohy sy hamita ity trano ity, izay efa eo amin’ny 70% amin’ny gros œuvre eo ho eo. Hitanareo ao amin'ny sary ao kosa ny endriky ny trano rehefa vita tanteraka ny asa.
Misaotra ilay tompon-trano amin’ny fahatokisana ny fomba fiasanay. Hiezaka izahay hanohy ny asa mba hahazoana vokatra tsara sy maharitra.
Araho tsy tapaka ny pejy raha te hahita ny fivoaran’ity projet ity, manomboka amin’ny état actuel ka hatramin’ny finition.
Aza adino fa ato aminay, afaka hitanareo mialoha amin’ny rendu 3D ny endriky ny trano rehefa vita na ny ivelany, na ny ao anatiny alohan'ny hanombohan’ny projet.