MS Electriques

MS Electriques Nous offrons de services en électricité, avec garantie (Installation, Dépannage, Etudes et Réalisation des projets, ...)

TSAPAO NY FAHALALANAO NY ENERGIE SOLAIRE PV (Test Gratuit sur messenger).- Alefaso message aminay ny hoe ESP (👉MESSENGER...
01/05/2023

TSAPAO NY FAHALALANAO NY ENERGIE SOLAIRE PV (Test Gratuit sur messenger).
- Alefaso message aminay ny hoe ESP (👉MESSENGER IHANY !!!)
-------------------------------------------------------

RENTABLE SA TSIA NY INSTALLATION SOLAIRE ?-----------------------------------------------------Betsaka ny miteny hoe laf...
23/04/2023

RENTABLE SA TSIA NY INSTALLATION SOLAIRE ?
-----------------------------------------------------
Betsaka ny miteny hoe lafo ny installation solaire, eny marina izany, KANEFA, mety ahazoana tombony betsaka raha ampitahaina amin’ny mampiasa source d’énergie hafa. Azo atao tsara ny manao calcul ny rentabilité an’ny projet d’instalation solaire alohan’ny hanaovana azy.
Izao ny fomba anaovana azy :
- Mila fantatra ny vidin’ny énergie laninao isambolana (hita anatin’ny facture JIRAMA na facture n’ny gasoil na escence raha ohatra ka mampiasa groupe)
- Rehefa fantatra izany dia manao dimensionnement an’ny installation solaire afaka mamokatra isambolana ny énergie mitovy amin’ny laninao isambolana. Ka rehefa vita ny dimentionnement dia mahazo liste materiel ilaina. Io liste io no entina manao « Chiffrage » izany hoe fantarina ny vidin’ireo matereil rehetra ireo ka atambatra.
- Rehefa azo ny « montant total » dia ampitahaina amin’ny vidin-jiro isambolana tetsy ambony. Jerena hoe mitovy amin’ny vidin-jiro firy volana io installation solaire io. Ka izay no ahafantarana hoe firy volana na firy taona ny vola no miverina ka aorian’izay dia tombony fona amin’izay no azo.
- Izay no ahafahana mandray fanapahan-kevitra hoe atao sa tsia ilay izy.
Raha ohatra ka mahaliana anao ny hahay dimensionnement an’ny installation solaire ahafahanao mamantatra ny fitaovana rehetra ilainao mba ahazoanao ny énergie izay tadiavinao dia manaraha formation à distance ato aminay.
Ny saran’ny formation dia 117.000 Ar, mety hiteny enao hoe lafo, fa afaka porofoinay aminao ny maha mora sy rentable azy raha ohatra ka ilaina.
Contact : 038.45.809.16 na mandefasa message amin’ity page ity Electriques

09/04/2023

Extrait de nos vidéos formations
Si notre formation à distance vous intéresse.
Contactez nous par mp ou 038.45.809.16

09/04/2023

Extrait de nos vidéos-formation.

Misy karazany vitsivitsy ny système solaire :- Systeme solaire autonome : energie solaire 100% no mamatsy herinaratra il...
08/04/2023

Misy karazany vitsivitsy ny système solaire :
- Systeme solaire autonome : energie solaire 100% no mamatsy herinaratra ilay trano na toerana
- Système solaire hybride sur une site isolé : Solaire miampy source d'énergie hafa (Groupe électrogène, éolienne, ...) fa tsy mifandray amin'ny JIRAMA
- Système connecté au réseau : izay mizara maromaro koa (ESS, Autoconsommation, ...) izany hoe solaire mifandray amin'ny JIRAMA

Betsaka no mahafantapantatra na mahaihay azy ireo fa vitsy ny mahafehy.
Raha toa ka mahaliana anao ny hahafehy ny énergie solaire dia manaraha FORMATION A DISTANCE ato amin'ny MS Electriques
--------
038.45.809.16

08/04/2023

Formationà distance
ENERGIE SOLAIRE PHOTOVOLTAÏQUE
Mandefasa message na miantso
038.45.809.16

Quelques étapes de pose des panneaux en images
14/08/2022

Quelques étapes de pose des panneaux en images

PANNEAUX SOLAIRES MONO SA POLY ??------------------------------------------------------------Ny panneau solaire iray dia...
04/07/2022

PANNEAUX SOLAIRES MONO SA POLY ??
------------------------------------------------------------
Ny panneau solaire iray dia fitambarana "cellules" maromaro (cellule photovoltaïque). Ka ireo cellules ireo no mamadika an'ilay hazavan'ny masoandro ho lasa herinaratra. Vita avy amin'ny "matériaux" atao hoe Scillicium ny cellule photovoltaïque ary mizara roa :
1- Scilicium monocristallin -> cellule monocrystalline -> panneaux monocristalline
2- Scilicium polycristalline -> cellule polycristalline -> panneaux polycristalline

PANNEAUX MONO (monocristalline) :
- Mainty ny lokony
- Rendement 16% -25%
- Maharitraritra kely kokoa ny fotoana famokarana anatin'ny tontolo andro.
- Lafo kokoa
- Mateza kokoa

PANNEAUX POLY (polycristalline) :
- Miloko manga maizina art somary hita avy aty ivelany ny cristaux ao anatiny
- Rendement 14% - 18%
- Mamokatra tsara fona na dia mafana be loatra aza ny toerana misy azy.
- Moramora vidy

IZA ZANY NO TSARA ?
- arakaraky ny toerana ampiasana azy fa amin'ny ankapobeny dia ny MONO no tena tsara.


Hikarakara formation izahay atsy ho atsy fa manaraha hatrany ny pejy.
Manao études sy installations ihany koa izahay.

FANAOVANA INSTALLATION SOUTERRAINE‐-----------------------------------------------------Tsara endrika kokoa ny tanàna ra...
28/05/2022

FANAOVANA INSTALLATION SOUTERRAINE
‐-----------------------------------------------------
Tsara endrika kokoa ny tanàna raha toa ka alefa any ambanin´ny tany ny "fil" na "cable électrique". Raha mba te hanetraka jiro amin´ny zaridaina ohatra ianao dia ratsy endrika be raha asiana poteau misy fil fa aleo alefa avy any ambany tany.
Tsy ataotao fahatany anefa izany fa misy fomba fanaovana azy :
1 - mila cable voatokana amin´izany. (...)
2 - Tsy tokony atao mipetraka mivantana anaty tany ilay cable fa mbola atao anaty zavatra hafa ihany koa, ilay antsoina hoe "Foureau".
Misy karazany ny foureau :
- PVC : tsy de tsara fa mora vidy
- TPC : antonony ny kalitao, otrzay koa ny vidiny
- ICT : Ilay tena tsara fa lafo vidy
3 - Mila "grillage avertisseur" ihany koa.

Fanaovana azy :
- Hadina ny lalan´ilay fil, 60cm ny halaliny farafahakeliny, fa arakaraky ny tanjaky ny herinaratra sy ny toerana andalovany no vao maika tokony hanaovana azy lalina kokoa.
- Asiana fasika (10cm eo ho eo ny hateviny)
- Tarintina ny foureau na tube annelée
- Sintomina ao anatil´ilay foureau ny cable
- Asina fasika indray : 20cm eo ho eo.
- Totofana tany kely indray, 10cm eo ho eo
- apetraka manaraka ny lalan´ilay cable ny Grillage avertisseur izay miloko mena (mba ahafantaran´ny olona izay mety hangady eo fa misy cable ao ambany ao)
- Totofana tany farany, madrapahafenony.
Mety miova ireo refy ireo arakarakt ny halalin´ny lalan´ny "cable".

DELESTAGE  # FAHATAPAHAN-JIRO‐----------------------------------------------Zavatra roa samihafa ny Délestage sy ny faha...
17/05/2022

DELESTAGE # FAHATAPAHAN-JIRO
‐----------------------------------------------
Zavatra roa samihafa ny Délestage sy ny fahatapahanjiro.
DELESTAGE : "terme technique" izy io, entina ilazana ny fomba fitantanana ny fitsinjarana ny herinaratra raha toa ka tsy maharaka ny filàna ny famokarana izany. Izany hoe raha betsaka loatra ny mampiasa herinaratra ka mila hihoatra ny zakan´ny milina mpamokatra izany dia tsy maintsy misy anesorana mba tsy hanimba zavatra na hiteraka fahafatapahan´ny rehetra. Ka tsy maintsy misy toerana na faritra tapahana ny jirony mba ahatonga ny ambiny afaka hampiasa. Ka anjaran-dry zareo tomponandraikitra no mametraka ny "critère " hoe arý no tapahana fa tsy arý.
FAHATAPAHAN-JIRO : Ny fahatapahan-jiro kosa no antsoina amin´ny teny vahiny hoe "coupure" izay midika ny tsy fahatongavan´ny herinaratra any amin´ny faritra iray, izay mety ho délestage no antony fa mety tsy ho délestage koa fa mety antony hafa, ohatra : misy poteau lavo, misy transformateur nirefotra, nisy varatra nilatsaka, sns...
Raha fintinina izany dia :
Délestage = fomba fitantanana izay mety mahatonga fanapahana herinaratra amin´ny faritra iray.
Fahatapahan-jiro = Coupure = tsy fahatongavan´ny nerinaratra amin´ny faritra iray izay mety ho délestage no antony fa mety antony hafa ihany koa.

Address

Antananarivo 101
Antananarivo

Telephone

+261384580916

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when MS Electriques posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to MS Electriques:

Share