29/11/2021
Tsy mora izany manangana ny orinasan'ny tena izany, na dia betsaka aza isika no maniry izany. 🏢
Anisan'ny re matetika ny olona hoe : "Tsy vitako ilay miasa 8h/j fa aleoko manangana ny ahy manokana"...
Dia hoy aho hoe : Tena te ho mpandraharaha marina ve ianao? 🙂
✅ Eny, tsy hiasa 8h/j ianao !!!
✅ Eny, tsy ho voafehy anaty birao lava !!!
✅ Eny, mety ahazo tombony betsaka !!!
Sns.
Kanefa...
🛑 Mety hiasa mihoatra lavitra ny 8h isan'andro ianao. Indraindray aza tsy ampy torimaso foana mandritry ny erinandro, indrindra rehefa vao manomboka iny. Misy fotoana tena fotoana lava mihoatry 8h ny hiasanao isan'andro!!!
Ao ihany koa ny hoe IANAO no tena HIASA INDRINDRA (indrindra amin'ny voalohany) satria anao io! 🙌
🛑 Hivezivezy ianao, tsy andro tsy alina, hiezaka hampietsika ny orinasanao. Hifanao fotoana amin'olona maro isan-karazany, hanenjika événements tena ilainao, indraindray amin'ny ora tena alina, ary ho vizaka foana vao tafody.
Ekena, tsy ho voafehy anaty birao isan'andro; tsy midika akory izany hoe afaka hanalazy foana.
🛑 Hisy fotoana io orinasanao io handalo sedra :
- tsy arak'izay noeritreretina ny vola miditra
- misy perte isan-karazany
- ny karaman'ny mpiasa tsy maintsy haloa
Miampy izany ny vola mbola ho laninao atao investissements isan-karazany...
..
Ny tiako tenenina dia ity :
Faly ho anao aho raha toa ianao ka manana vinavina ny ho tompon'ny orinasanao manokana ianao ☺️ "Aleoko kely fa ahy, toy izay lehibe fa an'ny hafa" hoy aho matetika.
Fantaro fotsiny anefa fa tsy mora io ary ilàna fandavan-tena, fikirizana, fanetre-tena ary fiaretana 🙂
✅ Ho avy ilay fotoana hoe tsy hiasa 8h/j intsony ianao, afaka ho tompon'ny fotoananao, tsy voatery hitrongy vao omana intsony.
Fa ady matetika vao tonga amin'izay!!! Mety ho amam-bolana, mety ho 10 taona. 😉
Raha tena vonona dia mirary soa, vitanao io!!!
TSY MISY MAFY TSY LAITRY NY ZOTO !!!
Epistolier ✍️