23/02/2026
Noho ny antony lehibe tsy voafehinay, izay tsy miankina amin’ny Mpikarakara na ny Tarika, ary manoloana ny zava-misy sarotra iainan’i Toamasina amin’izao fotoana izao, dia nifanarahanay roa tonta ny hanemotra amin’ny fotoana manaraka ny cabaret Tovo J’Hay.
Ho ampahafantarina eto ihany ny daty vaovao rehefa miverina amin’ny toe-javatra mety sy milamina kokoa isika rehetra.
Maneho fisaorana sy firaisankina aminareo rehetra izahay, ary mirary hery sy faharetana ho an’ny tsirairay. 🙏🤍