Tily 40ème Soavinandriana Itasy

Tily 40ème Soavinandriana Itasy 🇲🇬Fa izahay kosa ho :

❖Vavolombelon'i Jesoa Kristy
❖Olom-pirenena vanona
❖Andrin'ny fianakaviana

🇲🇬Tily indray andro, Tily mandrakizay!

🇲🇬 MPITONDRA HAFATRY NY FANDRIAM-PAHALEMANA🥰HO AN'NY RAY AMAN-DRENY REHETRA, AROVY ARY TANDREMO NY ZANAK'ISE🙏   ,
12/07/2026

🇲🇬 MPITONDRA HAFATRY NY FANDRIAM-PAHALEMANA🥰

HO AN'NY RAY AMAN-DRENY REHETRA, AROVY ARY TANDREMO NY ZANAK'ISE🙏



,



‼️Mpitondra hafatry ny fandriam-pahalemana 🕊️

Amin’izao vanim-potoana mafana lalovantsika eto amin’ny firenena izao, ny karazana tranga hala-jaza etsy sy eroa, dia miantso fitoniaina sy fandraisana andraikitra avy amin’ise 🤍

Ho an’ise mpiandraikitra, manaova paik’ady mahomby mba hahafahan’ny beazin’ise mamonjy fivoriana sy mody am-pitoniana hatrany🤍

🇲🇬 Mirary soa sy fahombiazana ary koa  mahatsiaro am-bavaka ireo Tily marobe izay hiatrika ny fanadinana BEPC indray isi...
05/07/2026

🇲🇬 Mirary soa sy fahombiazana ary koa mahatsiaro am-bavaka ireo Tily marobe izay hiatrika ny fanadinana BEPC indray isika izay hanomboka ny alatsinainy hoavy izao fa indrindra ny Tily hiatrika izany hoan'ny avy eto anivon'ny 40ème Soavinandriana Itasy !
Mirary soa hoan'ny skoto Malagasy rehetra sy ny ankizy rehetra tsy an-kanavaka ihany koa izay hiatrika izany fanadinam-panjakana izany!
Mahatoky anareo izahay anh!
Vitan'ise io!
Aza adino hatrany ny miantso ny fanahy masina fa hitsilo ny saina ary hitari-dàlana an'ise izy!
Hotahiana manokana anie ianareo ary hahomby amin'izany fanadinana izany🥰



,



"Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy." Deoteronomia 31 : 6

🥰 Andao hirary soa sy hitondra am-bavaka ireo rehetra hanao fanadinana BEPC 🥰

💪 Vitan'ise io 💪

🇲🇬 "Ho vy sy varahina ny hidinao; ary hifamatra amin'ny andronao ny fiadananao."Izany tenin' Andriamanitra ao amin'ny De...
29/06/2026

🇲🇬 "Ho vy sy varahina ny hidinao; ary hifamatra amin'ny andronao ny fiadananao."

Izany tenin' Andriamanitra ao amin'ny Deoteronomia 33 : 25 izany no hoentin'ny fianakaviam-ben'ny Tily 40ème Soavinandriana Itasy miarahaba an'ise, ry i sefo Oselo Mandrindra amin'izao nahatratraran'ise ny tsingerin-taona nahaterahan'ise izao!☺️🥳

Mirary soa hoan'ise hatrany izahay mba hahefa be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo ise,🫡 ary indrindra hahefa be ihany koa amin'ny fanabeazana izay iantsorohan'ise eto anivon'ny , amin'ny maha-mpiandraikitra an'ise eto anivon'ny fivondronana izay 🤗!

Mahereza hatrany fa ny Tompo homban'ise mandrakariva amin'izay hataon'ise, hitari-dàlana an'ise izy amin'izay làlana mbola hodiavin'ise ary hitsilo ny sain'ise ihany ko izy amin'ny fianarana izay hataon'ise 🥰



,



26/06/2026

🇲🇬 Izany izahay raha skoto eee 🥰





,


🇲🇬 Asaramanitra eee 🥰Miarahaba ny Malagasy rehetra nahatratra izao fety ho fahatsiarovana ny nahazoana ny fahaleovan-ten...
26/06/2026

🇲🇬 Asaramanitra eee 🥰

Miarahaba ny Malagasy rehetra nahatratra izao fety ho fahatsiarovana ny nahazoana ny fahaleovan-tena izao!🫡
Hiredareda ao am-pontsika omaly sy anio ary mandrakizay anie ny fitiavantsika ity tanindrazana malalantsika ity!🥰

Ny hirariana dia i Madagasikara hoan'ny Malagasy ary ny Malagasy hoan'i Madagasikara 🤍❤️💚





,


🇲🇬 Arahabaina tratry ny Asaramanitra e🇲🇬

Ankalazantsika amin’ity anio ity ny fahatsiarovana ny firevenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, tsarovy ny fanekena nataon’ise, ary aza hadinoina ny adidy amin’ny Tanindrazana ❤️🇲🇬

🇲🇬 Miarahaba ny raim-pianakaviana rehetra amin'izao fety natao ahatsiarovana manokana anareo izao!🤗Ho lehilahy mahery ar...
21/06/2026

🇲🇬 Miarahaba ny raim-pianakaviana rehetra amin'izao fety natao ahatsiarovana manokana anareo izao!🤗
Ho lehilahy mahery ary ho hatrany!😉
Mahereza hatrany!🙏



,



"Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho taminy ka nanao taminy hoe: Jehovah no momba anao, ry lehilahy mahery." Mpitsara 6 : 12

👏🏻 Miarahaba sy mitondra am-bavaka ny Ray rehetra 👏🏻

👉🏻 Arahabaina ihany koa ise rasefo ah, ise no toy ny ray, sady zoky fitaratra ho an'io boaikelin'ise io 👈🏻

🙏🏻 Misaotra fa fitiavana lehibe no atolotrareo 🙏🏻

🏕️ Ento milasy ny bandikely fa aza avela hiafana nefa ise tena niofana 🏕️

14/06/2026

🇲🇬 Miarahaba ny rehetra izay tany amin'ny Lasy fankalazana ny faha-20 taonan'ny , arahabaina nahavita soa ny lasy avokoa ! ❤️
Miarahaba ny 40ème Soavinandriana Itasy manokana ! 😀

Manolotra fisaorana mitafotafo ny mpiandraikitra rehetra izay nanomana fatratra ity fotoana ity, tamin'ny alalan'ny fanomanana an'ny beazina izay anisan'ny tonga tany ny avy eto amin'ny fivondronantsika !
Isaorana ihany koa ny ray aman-dreny nandefa ny zanatsika hanatrika izany ITASY RAID FAHA-ROAPOLO izany!😍
Misaotra ny komitim-pivondronana ihany koa , izay manohana feno hatrany ny hetsika izay handraisan'ny Fivondronana anjara toy izao 🥰
Ary indrindra, tsy adino ny beazina rehetra izay tonga nanatrika tany!😄

Misaotra daholo eee 😀
Hotahin'i Jesoa manokana anie ianareo tsirairay!



,



🇲🇬 Mirary soa sy fahombiazana ary koa  mahatsiaro am-bavaka ireo Tily marobe izay hiatrika ny fanadinana CEPE ny talata ...
14/06/2026

🇲🇬 Mirary soa sy fahombiazana ary koa mahatsiaro am-bavaka ireo Tily marobe izay hiatrika ny fanadinana CEPE ny talata hoavy izao fa indrindra ny eto anivon'ny 40ème Soavinandriana Itasy !
Mirary soa hoan'ny skoto Malagasy rehetra sy ny zaza rehetra tsy an-kanavaka ihany koa izay hiatrika izany fanadinam-panjakana izany!
Mahatoky anareo izahay anh!
Vitan'ise io!
Aza adino hatrany ny miantso ny fanahy masina fa hitsilo ny saina ary hitari-dàlana an'ise izy!
Hotahiana manokana anie ianareo 🥰



,



« Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao, maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa izy no mandamina ny lalanao »

- Ohabolana 3:5-6

Mirary fahombiazana ho an’ny beazina rehetra hiatrika ny fanadinam-panjakana amin’ny Talata 16 Jona ho avy izao!❤️
Vitan’ise io an, satria ise !

🎨 Pi-maso ary ho an’ny Mi-Tily Kisaritao, vondrona illustrator fa ry zareo anie no manome ny kisaritao eto 😉

Address

Soavinandriana
118

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tily 40ème Soavinandriana Itasy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category