22/05/2026
FEPETRA ANKAPOBENâNY SERVISYâ MA LINGE BOX
1. Momba ny tolotra
Ma Linge Box dia manolotra tolotra fanasana lamba, fanamainana, famolahana ary fanaterana lamba araka ny abonnement na pack safidinâny mpanjifa.
2. Fomba fiasanâny abonnement
Ny abonnement dia isam-bolana ary miankina aminâny pack nofidinâny mpanjifa :
* Pack KELY - 80 000 ar
* Pack AFENINA - 100 000 ar
* Pack FIANAKAVIANA - 150 000 ar
* Pack PREMIUM - 210 000 ar
Raha mihoatra ny habetsahanâny lamba voafaritra ao anatinâny pack dia mety hisy sarany fanampiny.
3. Fakana sy fanaterana lamba
* Ny fakana sy fanaterana lamba dia atao araka ny fandaharam-potoana nifanarahana aminâny mpanjifa.
* Tokony ho hita aminâny fotoana nifanarahana ny mpanjifa na mampandre mialoha raha misy fiovana.
* Raha tsy misy fampahafantarana mialoha dia azo afindra ny fotoana fakana na fanaterana lamba.
4. Karazana lamba raisina
Ma Linge Box dia mandray indrindra : akanjo andavanandro, lamba firakotra, servieta, ary lamba azo sasana aminâny fomba mahazatra.
5. Lamba tsy raisina
Ma Linge Box dia manan-jo tsy handray :
* Lamba maloto tafahoatra na misy zavatra mety hanimba (huile, produit chimique, sns.)
* Akanjo marefo mila fikarakarana manokana
* Zavatra lafo vidy raha tsy nambara mialoha
6. Adidinâny mpanjifa
Ny mpanjifa dia tomponâandraikitra aminâny :
* Fanamarinana ny paosinâakanjo alohanâny hanomezana azy (vola, firavaka, Ă©couteur, taratasy manan-danja, sns.)
* Fampahafantarana raha misy lamba marefo na mila fikarakarana manokana
* Fanajana ny habetsahanâny lamba ao anatinâny abonnement
Ma Linge Box dia tsy tomponâandraikitra aminâny zavatra tavela ao anaty paosinâakanjo.
7. Kalitaonâny tolotra sy andraikitra
Ma Linge Box dia mikarakara ny lambanâny mpanjifa amim-pitandremana. Na izany aza dia tsy tomponâandraikitra aminâny :
* Fahasimbanâny akanjo noho ny fahanterana na fahalemenâny lamba
* Fivadihan-doko vokatry ny kalitaonâny lamba
* Olana efa nisy taminâny akanjo talohanâny nanasana azy
Raha misy fitarainana dia tokony ampahafantarina ao anatinâny 48 ora aorianâny nahazoana ny lamba.
8. Fandoavana ny sarany servisy
* Isakinâny faha 28 ny volana no handohavana ny abonnement
* Raha misy fahatarana aminâny fandoavana dia mety hatsahatra vetivety ny tolotra.
* Tsy averina ny vola efa voaloa, raha tsy misy fifanarahana manokana.
9. Fampiatoana na fanafoanana abonnement
Afaka mampiato na manafoana abonnement ny mpanjifa raha mampandre mialoha anâi Ma Linge Box.
10. Fanajana tsiambaratelo sy mpanjifa
Ma Linge Box dia manaja ny tsiambaratelonâny mpanjifa sy manome tolotra matihanina ary mendrika.
11. Fanekena ireo fepetra
Ny fampiasana ny tolotra na fisoratana anarana aminâny abonnement dia midika fa manaiky ireo fepetra rehetra voalaza etsy ambony ny mpanjifa.
âRehefa manankina ny lambanao aminâi Ma Linge Box ianao dia manaiky ireo fepetra ankapobenâny tolotra ary misaotra anao izahay aminâny fitokisana.â