28/05/2026
📌 Te hividy tany ? Ireto aloha no tokony hatao :
🏡 1. Tsidiho ny toerana
Jereo tsara ny toerana sy ny manodidina, manontania fokonolona sy fokontany ny ilay tany sy ny tompony.
📄 2. Hamarino ny taratasy
Ataovy azo antoka fa ara-dalàna ny antontan-taratasy ary mazava tsara ny tompony (ny mpivarotra no tompony, raha tsy izay dia ampy ireo taratasy ahafahan'ny mpivarotra mivarotra azy).
📐 3. Ampiantsoy ny Géomètre Expert
Ity no dingana tena manan-danja : manamarina ny refy, ny faritry ny tany ary misoroka olana mety hitranga any aoriana.
✍️ 4. Ataovy mazava ny fifanarahana
Vidiny, velarantany ary ny fepetra rehetra dia tsara soratana mazava ary authentifiena na Notaire.
🔐 5. Vitao ara-dalàna ny famindrana anarana
Izay vao tena voaaro sy milamina ny fanananao.
✅ Ny tany tsara vidiana dia ilay voamarina tsara mialoha.**
**Aza mividy amin’ny maso fotsiny — hamarino aloha.** 👷📍📐