FACAD Construire mieux, ensemble.

πŸ“’ VOTRE AVIS COMPTE !Isaorana ireo rehetra izay efa nandray anjara tamin'ilay fanadihadiana πŸ™Tena manampy anay ny valite...
01/07/2026

πŸ“’ VOTRE AVIS COMPTE !

Isaorana ireo rehetra izay efa nandray anjara tamin'ilay fanadihadiana πŸ™
Tena manampy anay ny valiteny omenareo hanatsarana hatrany ny tontolon'ny fanorenana eto an-toerana.

🚧 Mbola mitohy ny fanadihadiana !

Tiantsika ny hahazo fanazavana sy valiteny betsaka araka izay azo atao.
Vos rΓ©ponses nous aident Γ  mieux comprendre vos attentes et Γ  amΓ©liorer nos futures actions dans l’univers de la construction.

⏱️ 03 minitra ihany no ilaina !

πŸ“² Tsindrio ilay rohy eto ambany na midira amin'ilay Code QR mba handraisana anjara.

https://docs.google.com/forms/d/e/1FAIpQLSfvSDLD-cCm7cZK9_Nej7D8Dmj0SftdVcAeeqxObPUR9NnV7A/viewform?usp=dialog

🚧 π—¦π—”π—Ÿπ—”π— π—” π—œπ—‘π——π—₯𝗔𝗬 Γ”!😬 Sahirana vao mahita mpanao trano azo itokisana ve ianao?πŸ₯΅ Raha mpanao trano kosa ianao, tsapanao ve ...
20/06/2026

🚧 π—¦π—”π—Ÿπ—”π— π—” π—œπ—‘π——π—₯𝗔𝗬 Γ”!

😬 Sahirana vao mahita mpanao trano azo itokisana ve ianao?

πŸ₯΅ Raha mpanao trano kosa ianao, tsapanao ve fa sarotra ny mahita mpanjifa?

πŸ“Š π—™π—”π—‘π—”π——π—œπ—›π—”π——π—œπ—”π—‘π—” 𝗠𝗒𝗠𝗕𝗔 𝗑𝗬 π—¦π—˜π—›π—”π—§π—₯𝗔 𝗙𝗔𝗑𝗒π—₯π—˜π—‘π—”π—‘π—”

Manao fanadihadiana momba ny filΓ na sy ny olana sedrain'ny olon-tsotra ary ireo matihanina eo amin'ny sehatry ny fanorenana izahay.

🀝 π—œπ—‘π—’π—‘π—” 𝗑𝗒 𝗧𝗔𝗑𝗝𝗒𝗑𝗔?

Ny tanjon'ity fanadihadiana ity dia ny hamolavola vahaolana hanamora:
βœ… Ny fitadiavana mpanao asa fanorenana azo antoka.
βœ… Ny fampifandraisana ireo matihanina amin'ny mpanjifa.
βœ… Ny fanatsarana ny traikefa eo amin'ny sehatry ny fanorenana.

πŸ’Ž 𝗭𝗔𝗩𝗔-π——π—˜π—›π—œπ—•π—˜ π—”π— π—œπ—‘π—”π—¬ 𝗑𝗬 π—›π—˜π—©π—œπ—§π—₯𝗔𝗒

Ny valinteninao dia hanampy amin'ny famoronana vahaolana tena mifanaraka amin'ny filΓ n'ny rehetra.

⏱️ 𝗙𝗒𝗧𝗒𝗔𝗑𝗔 π—œπ—Ÿπ—”π—œπ—‘π—”: 2 ka hatramin'ny 3 minitra monja.

πŸ‘‡ π—§π—¦π—œπ—‘π——π—₯π—œπ—’ π—œπ—Ÿπ—”π—¬ π—₯𝗒𝗛𝗬 π—˜π—§π—’ 𝗔𝗠𝗕𝗔𝗑𝗬 :

Fenoy ny fanadihadiana eto https://docs.google.com/forms/d/e/1FAIpQLSfvSDLD-cCm7cZK9_Nej7D8Dmj0SftdVcAeeqxObPUR9NnV7A/viewform?usp=dialog

πŸ™ Misaotra indrindra amin'ny fandraisanao anjara sy ny fanohananao!

24/08/2024

Miarahaba tompoko,

Te Hanorina TRANO 🏑🧱 ve ianao? Tadidio fa toerana hiainana maharitra ny trano iray ka mendrika fanomanana sy fanamboarana mety tsara.

Ireto ary misy soso-kevitra tena ilaina fantatra sy dingana tokony arahina momba an'izany :

1. Fandaminana sy Teti-bola πŸ’° : Manaova teti-bola mifanaraka amin'ny tena izy, ao anatin'izany ny vidin'ny fanorenana, ny saran'ny taratasy, ny fisondrotana tsy ampoizina, ary ny fanamboarana anatiny. Zava-dehibe ny manana drafitra mazava.

2. Fifidianana Tany🌍 : Ataovy antoka fa azo atao ny manorina amin'ilay tany tianao, manaraka ny fitsipika ary ny lalàna mifehy ny fanorenana.

3. Fahazoan-dΓ lana sy Fitsipika πŸ“œ: MakΓ  fahazoan-dΓ lana amin'ny fanorenana ilaina ary ataovy azo antoka fa manaraka ny fenitra eo an-toerana ianao.

4. Drafitra sy FandaharanaπŸ—žβœ’οΈπŸ“ˆ : Mifidiana Architect na Designer mba handrafitra ny planina mifanaraka amin'ny filΓ nao sy ilay tany.

5. Fifidianana FitaovanaπŸͺ¨πŸ§± : Safidio ny fitaovana tsara kalitao sy mifanaraka amin'ny toetrandro sy ny teti-bolanao.

6. Mpanorina πŸ‘·πŸ‘·: Mifidiana matihanina za-draharaha sy azo antoka mba hisorohana olana amin'ny ho avy.

7. Fanorenana maharitra sy mitsitsy angovo 🏑🏑 : Eritrereto ny vahaolana mitsinjo ny tontolo iainana sy mba hampihenana ny vidin'ny angovo ilaina mandritra ny fotoana maharitra.

8. Fifanarahana sy FiantohanaπŸ“„πŸ“„ : Ataovy azo antoka fa mazava ny fifanarahana rehetra ary manana fiantohana ilaina ianao hanampy amin'ny loza mety hitranga.

9. Fanaraha-maso ny FanorenanaπŸ—“πŸ“‰πŸ“Š : Araho ny fandrosoan'ny asa amin'ny fotoana rehetra mba hahazoana antoka fa tanteraka araka ny planina sy ny fenitra.

10. Fandaminana ny ivelany🏞🏞 : Manaova drafitra momba ny toerana ivelany toy ny zaridaina, ny fidirana, sy ny fomba fanariana rano.

Ny fanomanana tsara sy ny fahaizana mitantana ny dingana rehetra voalaza eo ambony dia zava-dehibe amin'ny fahombiazan'ny tetikasa fanorenana.

Mahavita soa tompoko.

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FACAD posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category