05/06/2026
VALAN-DRESAKA HO AN’NY MPANAO GAZETY
✳️✳️Nitondra fanazavana tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny Plan Anosy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, RAJAONARISON Sendra Nirina, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisitera, ny zoma 05 jona 2026.
▶️Natao izany mba hanomezana fanazavana ofisialy sy vaovao marina momba ireo lohahevitra maro samihafa mampametra-panontaniana ny mpanabe sy ny vahoaka, indrindra ireo hita eny amin’ny tambajotran-tserasera.
▶️ Isan’ireo lohahevitra nohazavaina ny fanatanterahana ny "protocole d’accord" (PDA), izay ahitana ny lafiny maha-olona toy ny "recrutement, intégration,affectation,rapprochement de ménage" ny "indemnité de craie", sy ny "indemnité de logement", ary ireo raharaha hafa mifandraika amin’ny fitantanana ny mpiasa.
▶️Noresahina ihany koa ny mikasika ny fampiofanana ireo mpampianatra, mialohan’ny handraisana azy ireo ho mpiasam-panjakana sy ny fanarenana sy ny fanavaozana ireo fotodrafitrasa ao anatin’ny tetikasa TALIM.
▶️Ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany, ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena dia manao ireo ezaka fiarovana ny tanin-tsekoly sy ny fanoratana izany aminy.
▶️ Nohazavaina ihany koa ny momba ny AMI ho an’ireo lehiben’ny CISCO sy ireo dingana arahina amin’izany, ka nohamafisina fa tanterahina ao anatin’ny mangarahara sy fanajana ireo fepetra napetraka ny fizotry ny fifantenana.
▶️ Nandray anjara tamin’ny fanazavana ireo tompon’andraikitra momba ny fikarakarana sy ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana, ny "vacation", ny "subvention" ho an’ireo sekoly tsy miankina, sy ny vola fampandehanan-draharaha eny anivon’ny sekoly.
▶️ Voaresaka nandritra ny valan-dresaka ihany koa ireo tranga sy ahiahy mifandraika amin’ny kolikoly sy ny fitantanana raharaham-panjakana. Nohamafisin’ny Minisitra fa tsy handefitra amin’ny kolikoly ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ary manentana ireo manana porofo, mba hampita izany amin’ireo rafitra mahefa, mba hahafahana mandray fepetra mifanaraka amin’ny lalà na.
▶️Entanina hatrany ny rehetra amin’ny fampidirana ny mpianatra ao anatin’ny fiantohana azy ireo raha sendra loza na voina an-tsekoly, amin’ny alalan’ny latsakemboka 200ariary isan-taona, mba ahafahan’ny Minisitera manonitra ireo fandaniana.
▶️Nohamafisina hatrany ny fanoloran-tenan’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena hampanjaka ny mangarahara, ny tamberin’andraikitra ary ny fitantanana tsara, ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana sy ny tolotra omena ny vahoaka.
UCOM MEN/ Jona 2026