12/08/2026
📌 Acompte provisionnel : Ny tokony ho fantatra
⚠️ Ity fanazavana ity dia mikasika amin'ny ankapobeny ireo orinasa misitraka ny Impôt Synthétique (IS).
Maro no mihevitra fa ny acompte provisionnel dia sara aloa amin'ny fananganana orinasa.
Tsy izany anefa.
Raha tsorina dia vola aloa mialoha ho ampahany amin'ny hetra tokony haloan'ny orinasa any aoriana izy io.
Noho izany, tsy saram-pananganana orinasa ny vola aloa amin'ny famoronana ny orinasa, fa acompte provisionnel voalohany.
Ary tsy mijanona amin'izay ihany izany. Ho an'ireo orinasa voakasik'izany dia mbola hisy acompte provisionnel haloa isan-taona, araka ny voalazan'ny lalàna.
📩 Raha mila fanazavana fanampiny ianao dia mandefasa message aminay amin'ny WhatsApp.