MDG BTP

MDG BTP "đŸ—ïž PassionnĂ©s par l'Art de BĂątir 🏱 |Conception, Étude, Conseil & RĂ©alisation|

⚠ FAMPIANARANA ⚠Ny fomba fanamboarana sy famoronana dia miova2 araky ny vanin'andro sy ny materiaux misy eo aminnilay ...
08/06/2024

⚠ FAMPIANARANA ⚠

Ny fomba fanamboarana sy famoronana dia miova2 araky ny vanin'andro sy ny materiaux misy eo aminnilay toerana, ka afaka anorenana.

Ireto misy karazana architecture izay nanamarika ny tantara hatramizay.

Marihana fa samy manana ny architecture mampiavaka azy ny firenena tsirairay ary samy manana ny tantarany, fa ireto ho tanisaiko eto ireto dia architecture amin'ny ankapobehany :

1. Antiquité

2. Moyen Âge

3. Renaissance (XIVe - XVIIe siĂšcles)

4. Baroque (XVIIe - XVIIIe siĂšcles)

5. Néoclassicisme (XVIIIe - début XIXe siÚcles)

7. Modernisme (début XXe siÚcle)

8. Postmodernisme (fin XXe siĂšcle)

9. Architecture Contemporaine (XXIe siĂšcle)

10. Minimalisme

Isika eto Madagasikara manokana dia manana ny fomba famoronantsika manokana, na dia izany aza dia efa hita taratra eny rehetra eny ny fiovarana mifanaraka amin'ny any ivelany.

Mirary tontolo andro mahafinaritra ho antsika rehetra. đŸ€—

⚠ Tsy voatery trano lehibe foana⚠⚠ Tsy voatery manana tany lehibe foana⚠✔ Rehefa vohafehy ny mandamina ny efitra(es...
07/06/2024

⚠ Tsy voatery trano lehibe foana⚠
⚠ Tsy voatery manana tany lehibe foana⚠

✔ Rehefa vohafehy ny mandamina ny efitra(espace) anatiny
✔Rehefa tsara ny finition sy ny endriky ny trano
✔Rehefa olona matianina no manao ny asa

🏠Dia ho afapo foana enao na dia betsaka kokoa ary ny vola lany đŸ‡Č🇬

Mirary zoma mafinaritra ho antsika rehetra

Anisan'ny manova ny endrika ny trano ihany koa ny fahaizana misafidy ny "grille de protection" amin'ny porte sy ny fenĂȘt...
30/10/2023

Anisan'ny manova ny endrika ny trano ihany koa ny fahaizana misafidy ny "grille de protection" amin'ny porte sy ny fenĂȘtre. 😀
Izany indrindra no izarana ireto modĂšle modĂšrne ireto anio.
Mirary erinandro mahafinaritra antsika rehetra.

Salama daholy isika mpanaraka, miavaka sady hafa kely ny fizarana anio 😃Design trano   indray no zaraina ho antsika andr...
23/10/2023

Salama daholy isika mpanaraka, miavaka sady hafa kely ny fizarana anio 😃
Design trano indray no zaraina ho antsika androany. Asa hoe mety afaka firy taona no mety ahitana izao eto Madagascar 🙂🙂

Bonjour Ă  tous 😃. Si vous rĂȘvez de concrĂ©tiser vos projets de construction avec une Ă©quipe passionnĂ©e, soucieuse du moin...
11/10/2023

Bonjour à tous 😃.
Si vous rĂȘvez de concrĂ©tiser vos projets de construction avec une Ă©quipe passionnĂ©e, soucieuse du moindre dĂ©tail, ne cherchez plus loin ! Nous sommes lĂ  pour vous.

Chez nous, la qualitĂ© du service et de la rĂ©alisation vont de pair avec des tarifs incroyablement compĂ©titifs. Votre satisfaction est notre prioritĂ© absolue, et nous mettons tout en Ɠuvre pour la garantir.

Et ce n'est pas tout : une promotion spéciale vous attend ! Jusqu'à fin novembre, une réduction pour le devis sera offerte. Alors, qu'est-ce que vous attendez ?

Pour en savoir plus sur nos offres irrésistibles, contactez-nous dÚs maintenant au 034 62 185 17 ou vous pourriez aussi envoyer un message.

N'attendez plus pour faire de vos rĂȘves en une rĂ©alitĂ©.

Vous trouveriez en image des idées de construction que nous pouvons concevoir et modifier selon vos attentes.

MDG BTP

́lisation

Salama daholy oh đŸ€—Hamelabelatra kely ny resaka “isolation thermique” isika androany, efa noresahana kely tany aloha ihan...
10/10/2023

Salama daholy oh đŸ€—

Hamelabelatra kely ny resaka “isolation thermique” isika androany, efa noresahana kely tany aloha ihany moa izany fa anio dia ho azavaina kely.

Voalohany dia miankina tanteraka amin’ny tempĂ©rature extĂ©rieur, ny volume an’ilay espace, ary ny “conductivitĂ© thermique “λ” ny matĂ©riaux tsirairay no ny hahafahana manao calcul sy dimensionenement. Ireo no ahafahana manao ny isolation ny efitra iray.
Ahoana no hahafantarana fa isolant ny matériaux iray?
Rehefa ambony ny fampitan’ny “matĂ©riaux” iray ny hafanana na hatsiaka dia azo lazaina fa tsy isolant izany ilay matĂ©riaux.

Hita ao anatin’ny sary fanehoana fa ny “bĂ©ton” ohatra dia tena mampita izany hafanana na hatsiaka (ambony ny conductivitĂ© thermique) izany ka rehefa mafana ny andro dia mafana ao antrano ary rehefa mangatsika ny andro dia mangatsiaka koa ao antrano (raha trano vita amin’ny bĂ©ton manontolo).
Ny brique indray dia azo lazaina hoe “matĂ©riaux sĂ©mi conducteur”, izany hoe mampita izy fa tsy tena mampita be.

Inona avy ny matériaux afaka ampiasaina mba hahafahana tena mitazona ny hafanana @ confort ny olona iray?
Misy karazany maro izy ireo
- MatiÚres minéraux : Laine de verre, Laine de roche, Verre cellulaire...
- MatiÚres biosourcés : Lin, Chanvre, Bois, mouton LiÚge, Paille, Plume...

Afaka atao ao anatiny na ivelan’ny trano moa ny isolation ny bñtiment, arakaraky ny zava-misy.
Marihina fa tsy miankina amin’ny matĂ©riaux irery anefa ny ahafana manana izay "confort" izay ao anaty efitra iray izay, satria rehefa tena tsy vitan’ny matĂ©riaux intsony ny mitazona ny hafanana na ny hatsiaka avy any ivelany dia tsy maintsy mampiasa “systĂšme de chauffage” rehefa mangatsiaka ny andro ary “systĂšme de climatisation” rehefa mafana ny andro.

Fehiny, inona avy izany no ahafahana mitazona ny température ny efitra iray mba ho ao anaty confort foana rehefa ao anatiny:
Voalohany : miankina tanteraka amin’ny tempĂ©rature extĂ©rieurs.
Faharoa : dia ny resaka matériaux sy ny épaisseur ny mur extérieur ary volume ny espace.
Fahatelo : dia ny systĂšme de chauffage na systĂšme de climatisation.

Izay indray ny fizarana nataon'ny MDG BTP androany fa mirary soa antsika rehetra.

Salama daholo oh â˜șIreto misy karazana trano tsara be daholo 🏡Samy manana ny tiany sy ankafiziny ny tsirairay 😉Misy ny h...
05/10/2023

Salama daholo oh â˜ș

Ireto misy karazana trano tsara be daholo 🏡
Samy manana ny tiany sy ankafiziny ny tsirairay 😉
Misy ny hitanay ho tsara kanefa tsy voatery ho tianao ilay izy â˜ș satria nahoana ary?
- Tsy mitovy ny confort ny tsirairay.
- Tsy mitovy ihany koa ny gout ny tsirairay. 🏠
- Tsy mitovy ny zavatra ilain’ny olona rehetra ao antrano. đŸ›‹ïž
- Misy amintsika ny mankafy an'ilay somary kelikely, etsy andaniny misy koa ny tia ilay lehibe 😍

Izany indrindra no antony hanomezanay anao safidy malalaka amin’ny mety ho endriky ny trano-nao đŸ€—
Anjaranao no manonofy dia izahay manatanteraka.

Ny zavatra tanteraka rehetra mantsy dia niainga tamin’ny nofinofy avokoa, ary raha ny trano manokana, dia ho mora kokoa aminao ny hanatanteraka izany sy hahita ny ho enti-manana anaovana izany(vola).
Fa kosa dia mila hitanao mialoha ny endriky ny trano(avy ety ivelany), sy ny ao anatin’ny trano ary ny vidin’ny fananganana azy (izany hoe ny devis).

đŸ§± Izay ary ny anio, misaotra anareo rehetra manaraka ny pejy hatrany, raha hikasa hanambotra ianao na hikasa hanangana trano any aoriana any dia aza misalasala ary manontany anay eto @ MDG BTP fa vonona izahay hanome fahafaham-po ho anao.

Afaka manontany ao amin’ny mp na antsoy ny 0346218517 fa vonona izahay hanampy anao đŸ€—

Miarahaba ho antsika rehetra indray oh.Villa moderne tsara kely 🏠 ilay nofisinao iny mihintsy no zaraina ho antsika andr...
04/10/2023

Miarahaba ho antsika rehetra indray oh.

Villa moderne tsara kely 🏠 ilay nofisinao iny mihintsy no zaraina ho antsika androany.
Efa nataonay anaty sary daholo ny devis sy ny plan 3D an’ilay trano, tsy dĂ©taillĂ© be izy ity fa mba hahafahanao manombana sahady ny vidin’ny trano, sy hahitanao ny ao anatiny. đŸ›‹ïž

Partageo raha nahaliana anao ny fizarana anio, ary aza adino ny manisy j’aime sy manaraka ny pejy, fa mbola betsaka ny fizarana ho atao.

Raha mila ny détails rehetra hahafahana mahavita ny trano ianao dia manasa anao izahay hiantso na handefa hafatra miafina eto amin'ny pejy.
Inona avy izany “details” izany?
- « Plan 2D » rehetra hahafahana maka permis de construire eny amin'ny commune misy anao.
- « Devis estimatif et quantitatif dĂ©taillĂ©s » hita ao anatin’izay ohatra ny ciment lany sy ny vato, ny vy sns
 .
- Ary arakaraka ny fotoana anatanterahana ny trano dia afaka omenay ihany koa ny olona tokony ampiasaina.

Contact : +261 34 62 185 17

Salama daholy oh 😊Atolotra antsika androany ny sarin'ny structure an'ilay trano tsara endrika kely nozaraina tamintsika ...
03/10/2023

Salama daholy oh 😊

Atolotra antsika androany ny sarin'ny structure an'ilay trano tsara endrika kely nozaraina tamintsika teto amin'ny pejy. 🏠

Inona avy ny avantage raha toa ka modélisena mialoha ny trano izay vao ho tanterahina:
1⃣ Mba hijerena mialoha ny mety ho olana hitranga eny amin'ny chantier (anticipation)
Afaka hitanao mialoha ihany koa ireo étape tokony anaovan'ny ouvriers ny asa rehetra, izay miainga avy any amin'ny fototra ka hatrany aminy finition, mba ahafana mandamina ny asa sy ny fakana ny matériaux (approvisionnement et planning)
2⃣ Mba ahafahanao mahazo devis tena detaillé, no sady précis, no sur kokoa amin'ny quantité matériaux, izay vinavinaina ho lany mba hialana amin'ny tampoka.

Mba hialanao amin'ny tampoko dia manolotra solution ho anao izahay eto amin'ny MDG MDG BTP đŸ—ïž
Izahay dia afaka manantanteraka :
- Plan 2D complet, ilay tonga dia ahazahoanao permis de construire.
- Devis quantitatif (afaka ataonay ny tomban'ny matériaux mety ho lany sy ny fotoana anaovanao ny asa, arakaraky ny isan'ny ouvriers ampiasainao).
- Devis estimatif (ny vidin'ny matériaux sy ny karaman'ny main d'oeuvre mety ho lany).
- Afaka mamoka plan de coffrage sy ferraillage koa izahay ary mi-optimiser izany raha afaka atao.
- Afaka manao rendu koa izahay raha ilainao izany.

Raha toa ka misy mahaliana anao dia aza misalasala manontany fa vonona izahay hanampy anao amin''izay rehetra noeritreretinao ho atao.
Contact : +261 34 62 185 17

Salama eh 😀😀.Ankoatra ny brique dia anisany misy fiantraikany be indrindra amin’ny fanananganana ny trano ny resaka quan...
02/10/2023

Salama eh 😀😀.
Ankoatra ny brique dia anisany misy fiantraikany be indrindra amin’ny fanananganana ny trano ny resaka quantitĂ© ferraillage, izay mifandraika amin’ny quantitĂ© an’ny beton ampiasaina (raha atao tsotsotra dia eoeo amin’ny 80kg hatramin’ny 90 kg/m3 de bĂ©ton eo ny feraillage ilaina). Ny fandaniana be maraka izay dia ny ciment, izay tsy afaka misaraka amin’ny fanorenana ankehitriny (ny resaka BĂ©ton sy fandalorana no tena fampiasana azy raha trano no atao).

Ahoana ny atao mba ahafahana mi-optimiser izany feraillage sy ciment izany?
Voalohany, mahakasika ny feraillage dia tokony miankina tanteraka am’ny resaka calcul de structure, raha lazaina tsotsotra dia arakaraky ny isan’ny Ă©tage atao hoy isika, fa tsy izay ihany anefa fa tokony arakaraky ny ampiasaina ilay trano (maison d’habitation ve sa resaka commerce
), ny matĂ©riaux ampiasaina amin'ilay trano (tsy mitovy mintsy raha hampiasa brique sy hampiasa parpaing), ny toerana misy ilay trano (toerana somary mahazo rivotra ve sa any amin’ny sisitany no ahorina ilay trano). Ho betsaka ny fandaniana raha diso tafahotra ny fer ampiasaina nefa kely dia tokony mahavita ilay trano.
Faharoa mahakasika izay dia ny fampiasana ny ciment, misy karazany maro ny ciment, izay samy hafa avokoa ny ampiasaina azy. Raha ciment fanaovana bĂ©ton ohatra no andaloranao dia rariny raha manatombo ny tombambidin’ilay trano satria misy elanelany azo atao hoe tsy tena betsaka, kanefa rehefa mitambatambatra dia misy fiatraikany ihany.

DĂ©tails kely otrin’izany tompoko dia ahafahanao mampiena ny vidin’ny fandanihana amin’ny fanaovana trano.
Izay indray no fizarana natao androany, mirary herinandro mahafinaritra antsika rehetra.

Miarahaba eh 😃Soso-kevitra kely zaraina ho antsika androany. Tsy voatery hoe trano be anie no atao eh, 🏠 izay misy eo am...
26/09/2023

Miarahaba eh 😃
Soso-kevitra kely zaraina ho antsika androany.
Tsy voatery hoe trano be anie no atao eh, 🏠 izay misy eo ampelatanana aloha no ananganana azy, fa ny "structure" an'ilay trano fotsiny no atao tsara, mba ahafahana manitatra azy rehefa tonga ny fotoana, saingy tsy maintsy atao mialoha foana ny calcul mba ahazakany rihana maro2.

Izay ary ny androany fa mirary soa ho antsika rehetra.


́lisation


Address

Antananarivo
101

Telephone

+261346218517

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when MDG BTP posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share