29/11/2025
Ray aman-drenin’i Mathieu
Ny zanakay Mathieu, 4 taona monja, dia efa nodidiana ny kibony ary amin’izao fotoana izao miatrika cancer du sang (lymphome de Burkitt) – stade 4.
Lalana sarotra sy feno fijaliana no nodiavin’ity zaza kely, nefa mijoro amin’ny herim-po sy fanantenana hatrany izy.
Mankasitraka lalina izahay ny mpitsabo rehetra izay nanao ny ezaka rehetra hiaro ny ainy, nampionona anay, ary nitondra fahazavana tamin’ny fotoan-tsarotra.
Misaotra ihany koa izahay tamin’ny fanorona lalana ho amin’ny évacuation sanitaire, mba hanomezana an’i Mathieu chance lehibe kokoa hahazo fitsaboana tsara sy hanana vintana ho velona sy tsy hiverenan’ny aretina.
Na inona na inona haben’ny fanohanana, ny fitiavanareo dia efa fanomezana lehibe ho an’ity zaza kely miady amin’ny aretina.
Ho an’izay te hanohana na te hiresaka bebe kokoa momba an’i Mathieu dia afaka mifandray aminay:
📞 034 06 845 28 — Andoniaina
📞 037 65 828 34 — Nirintsoa Yolande
“Izay ataonareo amin’ireo madinika ireo dia ataonareo amiko koa”, hoy ny Tompo.
Misaotra amin’ny fo feno fankasitrahana sy fanantenana.
Andriamanitra anie hitahy sy hamaly fitia anareo rehetra.
Mirary Krismasy sambatra ho an’ny ankizy rehetra.