29/09/2026
🎨INONA AVY INDRAY ARY NO TOKONY HATAO RAHA DEBUTANT IANAO AMIN'NY FANAOVANA PEINTURE sy SARY?
1- ATOMBOY AMIN'NY TARATASY TSOTRA ALOHA SARY IZAY ATAO
tsy maninona afaka manaraka modèle ianao fa atomboy amin'ny taratasy fotsy aloha sary izay ataonao , afaka misafidy ianao na hanao sary abstrai, na paysage, na fleurs na portait
2- MISAFIDIANA PEINTURE AMPIASAINA
Ny tena idéal indrindra dia ny peinture acrylique satria iny izy asianao rano , mora maina ary mora ampiasaina , misafidiana aloha couleur vitsivitsy no ampiasaina ohatra 5 ihany
3- MISAFIDIANA PEINCEAU
ny pinceau fanaovana base aloha ampiasaina : fine (hanaovanao détail) , plat ou large (hanaovana fonds), rond (forme)
4- NY TENA TEBOKA NGEZA INDRINDRA DIA ny famerimberenana , mangalà na dia 15 mn isanan'andro aza mianatra zavatra vaovao fa hitanao fa tena misy fivoarana ny sarinao ary ampitahao amin'ny efa vitanao teo aloha fa mahita fanatsarana foana ianao rehefa mamerimberina