18/05/2021
🤔 Désinfecter me diriez-vous. Mais pourquoi le faire?
La situation dans laquelle nous vivons actuellement nous contraint à un régime de sécurité et d’hygiène garantissant la santé tant au travail que pour les particuliers.
La désinfection consiste à lutter contre la présence des micro-organismes (Virus, bactéries, etc …) sur les surfaces en réduisant les risques infectieux.
Ces micro-organismes peuvent se répandre sur le sol, les surfaces et même dans l’air et contamine l’homme soit par voie respiratoire, par contact ou par voie digestive.
Pour limiter tout risque de contamination, la pratique appropriée de nettoyage et de désinfection est primordiale.
……………………………………
Mamendraka ranom-panafody hoy ianao. Fa maninona ary no tokony ho atao ?
Izao vanim-potoana iainantsika izao dia manery antsika amina fepetra fiarovana sy fahadiovana miantoka ny fahasalamana na eny anivon’ny toeram-piasana na eny amin’ny tsirairay.
Ny famendrahana ranom-panafody dia fomba fiadiana amin’ireo zavamananaina bitika kely (Viriosy, bakteria, sns …) eny amin’ny habakabaka ka mampiheny ny fahazoana aretina.
Ireo zavamananaina bitika kely ireo dia afaka miparitaka amin’ny tany, zavatra, na eny amin’ny rivotra ka mifindra amin’ny olona, na amin’ny lalan-drivotra, amin’ny fikasoana, na amin’ny lalàm-pandevonan-kanina.
Ho fisoroana ny aretina, laharam-pahameana ny fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody ny toerana.