I-raka Service II

  • Home
  • I-raka Service II

I-raka Service II Conseils, Assitance, Représentation, Expertise en matière de PAPERASSE.

✨ VISA & RÉSIDENCE : I-RAKA SERVICE À VOS CÔTÉS ! 🌍📑Besoin d’aide pour votre visa à l’étranger ou votre carte de résiden...
16/08/2026

✨ VISA & RÉSIDENCE : I-RAKA SERVICE À VOS CÔTÉS ! 🌍📑

Besoin d’aide pour votre visa à l’étranger ou votre carte de résident à Madagascar ? Nous vous accompagnons à chaque étape, de la préparation au suivi de votre dossier. ✅

📍 Isoraka, Lot I B 100 – 25 Rue de Russie, 101 Antananarivo

📞 Contactez-nous :
+261 34 84 447 93 | +261 32 62 804 25
+261 34 60 032 56 | +261 38 05 434 21

📧 [email protected]
📧 [email protected]
🌐 www.irakaservice.mg

👉 N’hésitez pas à nous appeler ou à nous écrire pour plus d’informations !

✨ I-RAKA SERVICE – VOTRE PARTENAIRE DE CONFIANCE ! ✨Vous avez des démarches administratives à effectuer et vous ne savez...
15/08/2026

✨ I-RAKA SERVICE – VOTRE PARTENAIRE DE CONFIANCE ! ✨

Vous avez des démarches administratives à effectuer et vous ne savez pas par où commencer ? I-Raka Service vous accompagne et s’occupe de tout ! 🤝📑

🏢 Création et modification d’entreprise
📄 Documents administratifs
🏠 Achat, vente, location et gestion de biens
🚗 Documents automobiles
✈️ Visa et autorisations
💳 Paiement de factures et assurances
📦 Achat, vente, récupération et envoi de documents ou marchandises
📱 Marketing digital : logos, flyers, boost Facebook & publications

⏱️ Rapidité • Fiabilité • Proximité • Satisfaction

💙 Votre temps est précieux, laissez-nous nous occuper du reste !

📞 Contactez-nous :
+261 34 84 447 93
+261 32 62 804 25
+261 34 60 032 56
+261 38 05 434 21

📧 [email protected]
📧 [email protected]
🌐 www.irakaservice.mg

📍 Isoraka, Lot IB 100, 25 Rue de Russie, 101 Antananarivo

I-RAKA SERVICE — Un service complet, une solution à chaque besoin ! ❤️💙

✨ Besoin d’aide pour vos démarches administratives ? ✨Ne perdez plus votre temps dans les formalités ! 📑🤝Avec I-RAKA SER...
15/08/2026

✨ Besoin d’aide pour vos démarches administratives ? ✨

Ne perdez plus votre temps dans les formalités ! 📑🤝
Avec I-RAKA SERVICE, bénéficiez d’un accompagnement sérieux, rapide et professionnel pour vos démarches liées à votre entreprise et à vos documents.

💼 Vous avez une démarche à effectuer ? Nous pouvons nous en occuper pour vous !

📞 Contactez-nous dès maintenant et bénéficiez d’un accompagnement personnalisé de A à Z.

💙 Votre satisfaction, notre priorité !
✨ I-RAKA SERVICE — Votre partenaire de confiance.

📲 +261 34 84 447 93 | +261 32 62 804 25
📲 +261 34 60 032 56 | +261 38 05 434 21

🤝𝐅𝐀𝐌𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀-𝐏𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐎𝐇𝐎 𝐍𝐘     𝐅𝐈𝐕𝐀𝐑𝐎𝐓𝐀𝐍𝐀Ny famarotana tany dia voafehy ny didy hitsivolana ord 60-146 sy ny didy fampih...
03/08/2026

🤝𝐅𝐀𝐌𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀-𝐏𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐎𝐇𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐕𝐀𝐑𝐎𝐓𝐀𝐍𝐀

Ny famarotana tany dia voafehy ny didy hitsivolana ord 60-146 sy ny didy fampiharana miaraka aminy.
Raha tanim-panjakana dia miafara amin’ny fahazoana Boky titra (duplicata du titre) ary manomboka eo dia misoratra amin’ny olona iray ny tany.

▶️ 𝑹𝒂𝒉𝒂 𝒉𝒊𝒗𝒂𝒓𝒐𝒕𝒓𝒂 𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒅𝒊𝒂 𝒊𝒏𝒐𝒏𝒂 𝒏𝒐 𝒕𝒐𝒌𝒐𝒏𝒚 𝒉𝒐 𝒇𝒂𝒏𝒕𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒎𝒊𝒂𝒍𝒐𝒉𝒂 ?

Misy karazany 🅡︎🅞︎🅐︎ ny varotra :
1️⃣Varotra ny tany manontolo.
2️⃣Varotra amin’ny ampahany.

▶️ 𝑰𝒏𝒐𝒏𝒂 𝒂𝒓𝒚 𝒏𝒚 𝒅𝒊𝒏𝒈𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒓𝒂𝒉𝒊𝒏𝒂 𝒓𝒂𝒉𝒂 𝒉𝒊𝒗𝒂𝒓𝒐𝒕𝒓𝒂 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒎𝒂𝒏𝒐𝒏𝒕𝒐𝒍𝒐 𝒏𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒂𝒎𝒑𝒂𝒉𝒂𝒏𝒚 ?

Miainga amin’ny fanaovana fifanarahana fampivarotana amin’ny alalan’ny olona roa : mpivarotra sy mpividy.

▶️ 𝑰𝒓𝒆𝒐 𝒌𝒂𝒓𝒂𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒇𝒊𝒇𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒊𝒗𝒂𝒓𝒐𝒕𝒂𝒏𝒂 ?

👉🏻 Misy karazana 🅣︎🅔︎🅛︎🅞︎ ny fifanarahana ananan’ny olom-pirenena zo ny manao azy, sy hananany safidy amin’izay tokony halehany rehefa hanao fifanarahana fifampivarotana :

- 𝕸𝖎𝖘𝖞 𝖓𝖞 𝖋𝖎𝖋𝖆𝖒𝖕𝖎𝖛𝖆𝖗𝖔𝖙𝖆𝖓𝖆 𝖛𝖔𝖆𝖘𝖔𝖓𝖎𝖆𝖓’𝖔𝖑𝖔𝖓-𝖉𝖗𝖔𝖆 (𝖆𝖈𝖙𝖊 𝖉𝖊 𝖛𝖊𝖓𝖙𝖊 𝖘𝖔𝖚𝖘 𝖘𝖊𝖎𝖓𝖌 𝖕𝖗𝖎𝖛𝖊́) :
👉🏻 Hoentina any amin’ny Kaominina ny fifanarahana fampivarotana mba hanaovana fanamarinan-tsonia. Mety ilaina ny fisian’ny vavolombelona amin’izay fotoana izay.
☝🏻Marihina fa tsy mitovy amin’ny fanamarinan-tsonia tsotra io fa misy endrika manokana (à la forme foncière) izay napetraky ny lalàna mifehy ny «régime d’immatriculation» .

👉🏻Rehefa vita ny fanaovana ny fifanarahana dia manao fanamarinana ara-panjakana (légalisation) ao amin’ny Kaominina ihany, ary aorian’izay dia manao ny firaketana (enregistrement) any amin’ny ivon-ketra (centre fiscal).

👉🏻Ampiarahina amin’izay fifanarahana fifampivarotana izay ny saritany.
☝🏻 Raha 𝓽𝓪𝓷𝔂 𝓶𝓪𝓷𝓸𝓷𝓽𝓸𝓵𝓸 no amidy dia ny saritanin’ilay tany manontolo no apetraka ao.
☝🏻Raha 𝓪𝓶𝓹𝓪𝓱𝓪𝓷𝔂 kosa no amidy, dia tsy maintsy faritan’ny Sampandraharahan’ny Fandresantany alohan’ny hanaovana fifanarahana fifampivarotana eo amin’ny saritany ny faritra hamidy, sy ny refin’izany. Aorian’izay asa izay vao miroso amin’ny fifanarahana.

- 𝕸𝖎𝖘𝖞 𝖓𝖞 𝖋𝖎𝖋𝖆𝖒𝖕𝖎𝖛𝖆𝖗𝖔𝖙𝖆𝖓𝖆 𝖛𝖔𝖆𝖗𝖆𝖐𝖎𝖙𝖗𝖆 (𝖆𝖈𝖙𝖊 𝖉𝖊 𝖛𝖊𝖓𝖙𝖊 𝖆𝖚𝖙𝖍𝖊𝖓𝖙𝖎𝖋𝖎𝖊́):
👉🏻 Atao eo anatrehan’ny solotenam-panjaka«délégué d’arrondissement».
☝🏻Ny mampiavaka azy dia ny tompon’andraiki-panjakana (officier public) no manoratra ny taratasy fifanarahana (rédaction de l’acte) ary voasoratra ao amin’ny bokim-piraketana (régistre) ao amin’ny Kaominina izany.

👉🏻 Rehefa vita ny firaketana izany (enregistrement) any amin’ny Ivon-ketra, dia dika mitovy ofisialy (copie na expédition) amin’ilay taratasy voarakitra ao amin’ny bokim-piraketana no avoakan’ny solotenam-panjakana ary omena ny andaniny sy ny ankilany.

- 𝕸𝖎𝖘𝖞 𝖓𝖞 « 𝖆𝖈𝖙𝖊 𝖓𝖔𝖙𝖆𝖗𝖎𝖊́ » :
👉🏻Raha mihaotra ny 15 tapitrisa na 15 000 000 d’Ar ny vidiny nifanarahana ao amin’ny taratasy fifampivarotana dia tsy maintsy hoentina any amin’ny « notaire » izany.
☝🏻Marihina fa ny zavatra rehetra hita amin’ny fifampivarotana dia hita ao amin’ny saritany avokoa.

- 𝑹𝒂𝒉𝒆𝒇𝒂 𝒗𝒊𝒕𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒇𝒂𝒎𝒑𝒊𝒗𝒂𝒓𝒐𝒕𝒂𝒏𝒂 𝒅𝒊𝒂 𝒎𝒊𝒓𝒐𝒔𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒎𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂𝒚 :

👉🏻 Tsy maintsy mangataka fahazoan-dalana any amin’ny Sampandraharahan’ny Fanajariana ny tany.
☝🏻Hoentina amin’izany ny fifanarahana sy ny saritany mba hahazoana ny taratasy manamarina ny fepetra momba ny fanajariana ny tany (prescription d’urbanisme) na ny fahazoan-dalana hamaky ny tany (autorisation de morcellement) na fahazoan-dalana hanao raharaham-pivarotam-pananana (autorisation de transaction immobilière), arakaraka ny tranga.

👉🏻 Entina any amin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany avy eo ny fahazoan-dalana hamaky ny tany na fahazoan-dalana hanao raharaham-pivarotam-pananana miaraka amin’ny fifanarahana .

👉🏻 Mametraka ny fangatahana (réquisition) miaraka amin’ny taratasy fanekena izay manamarina fa manaraka ny lalàna ny dingana rehetra natao ary tsy misy hosoka ny taratasy fanekena (lettre d’engagement).
☝🏻Fenoina sy soniavina any amin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany ihany izany.

👉🏻 Entina eny amin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany ny Boky titra.
☝🏻 Araka ny voalazan’ny lalàna mantsy, dia tsy maintsy havaozina mba hifanaraka amin’ny ao amin’ny Bokintany (livre foncier) ny ao anatin’ny boky titra na kadasitra (Duplicata na matrice cadastrale) isaky ny misy famindrana ny zo amin’ny tany amin’ny anaran’ny tompony vaovao.
☝🏻Antsoina hoe : fampifanarahana ny firaketana (mise à jour de concordance), ity dingana ity ary tsy maintsy tanterahina mandritra ny fikarakarana ny famindrana.

👉🏻 Rehefa vita izany dia apetraka amin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany mba hirosoana amin’ny dingana famindrana :
☝🏻Raha ny 𝓽𝓪𝓷𝔂 𝓶𝓪𝓷𝓸𝓷𝓽𝓸𝓵𝓸 dia afindra amin’ny tompony vaovao noho ilay fifanarahana.
☝🏻Raha 𝓪𝓶𝓹𝓪𝓱𝓪𝓷𝔂 dia miverina any amin’ny Sampandraharahan’ny Fandrefesantany mba hanaovana saritany ho an’ny vina tsatobato famakiana (bornage de morcellement).
- Raha tsy misy ny olana eo amin’ny refy dia midina eny an-toerana izy ireo manao tsatobato.
- Soratan’ny ao amin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany ny haben’ny tany amin’ilay Bokintany sy ny boky titra. Ary omena ny tompony ny boky titra (Dupilacata du titre).

Toerana voafandrika hoe? 🤔Misy ny toeram-piantsonana sasany ahitana vato, pneu, bidon, seza, na sakana hafa apetraka eo ...
29/07/2026

Toerana voafandrika hoe? 🤔
Misy ny toeram-piantsonana sasany ahitana vato, pneu, bidon, seza, na sakana hafa apetraka eo amboniny. Tsy midika anefa izany fa voafandrika ara-dalàna ilay toerana.
Ahoana ary no ahafantarana fa voafandrika ara-dalàna ny toerana?
Ny toerana voamarika amin'ny loko mavo ihany no toerana voafandrika ara-dalàna. Izy ireo dia mora fantarina amin'ny soratra hoe:
🟡 SAUF PASS ho an'ny orinasa;
🟡 ABO – ###### ho an'ny olon-tsotra.
Ny famandrihana toeram-piantsonana amin'ny alalan'ny vato, pneu, bidon, seza, na sakana hafa dia voararan'ny lalàna manan-kery.
👉 Hajao ireo fepetra takiana amin’ny fampiasana ireo toerana voafandrika ofisialy.
👉 Aza manaiky hosakanana amin'ny fomba tsy ara-dalàna.

🇲🇬FANGATAHANA TANIM-PANJAKANA                            𝐈𝐫𝐞𝐨 𝐝𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚𝐡𝐢𝐧𝐚1️⃣ 𝑭𝒂𝒎𝒂𝒓𝒊𝒕𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒔𝒂𝒕𝒂-𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒎𝒂𝒉𝒂𝒌𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝒕...
28/07/2026

🇲🇬FANGATAHANA TANIM-PANJAKANA

𝐈𝐫𝐞𝐨 𝐝𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚𝐡𝐢𝐧𝐚

1️⃣ 𝑭𝒂𝒎𝒂𝒓𝒊𝒕𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒔𝒂𝒕𝒂-𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒎𝒂𝒉𝒂𝒌𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂

Ny lalàna 60-004 no nihatra mahakasika ny tanim-panjakana talohan’ny fanavaozana azy tamin’ny 2005.

Taorian’ny 2005 dia teraka ny lalàna 2005-019/17 Oktobra 2005 mikasika ny sata-tany : tanim-panjakana, tany an’olon-tsotra ary misy ny tany manana ny sata manokana.

Nisy ny fanovana ny lalàna tamin’ny 2005. Ankehitriny, ny lalàna 2008-014 tamin’ny 23 Jolay 2008 no manankery amin’ny fangatahana tanim-panjakana.

2️⃣ 𝑰𝒛𝒂 𝒂𝒗𝒚 𝒏𝒐 𝒂𝒇𝒂𝒌𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒈𝒂𝒕𝒂𝒌𝒂 𝒕𝒂𝒏𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 ?

Afaka mangataka avokoa ny olon-drehetra.

3️⃣ 𝑻𝒂𝒏𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒓𝒆𝒇𝒚 𝒕𝒐𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒉𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒐 𝒂𝒇𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒏𝒈𝒂𝒕𝒂𝒉𝒊𝒏𝒂 ?

Tsy voafetra ny refin’ny tany azo angatahina.

-𝓣𝓪𝓷𝓲𝓶-𝓹𝓪𝓷𝓳𝓪𝓴𝓪𝓷𝓪 𝓪𝔃𝓸 𝓪𝓶𝓲𝓭𝔂 : tanim-panjakana tsy misy titra, tsy misy kadasitra, na efa manana titra amin’ny Fanjakana .

-𝓣𝓪𝓷𝓲𝓶-𝓹𝓪𝓷𝓳𝓪𝓴𝓪𝓷𝓪 𝓽𝓼𝔂 𝓪𝔃𝓸 𝓪𝓶𝓲𝓭𝔂 : natokana ho an’ny Minisitera, Domaine Public (ampiasaina hoan’ny vahoaka).

4️⃣ 𝑹𝒆𝒉𝒆𝒇𝒂 𝒊𝒏𝒐𝒏𝒂 𝒏𝒐 𝒍𝒂𝒔𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 𝒊𝒓𝒂𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 ?

👉🏻Miafara amin’ny fahazoana 𝑇𝑖𝑡𝑟𝑎 ny dingana arahina amin’ny fahazoana tany. 𝑇𝑖𝑡𝑟𝑎 izay milaza fa an’ny Fanjakana Malagasy aloha ny tany, ary izy no manome izany ho an’ny mpangataka.

🫴🏻 Misy karazany maromaro ny fanomezana tany ataon’ny Fanjakana :
𝐹𝑖𝑣𝑎𝑟𝑜𝑡𝑎𝑛𝑎 (vente)
𝐹𝑎𝑛𝑜𝑘𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑡𝑎𝑛𝑦 (affectation) raha ho an’ny Minisitera
𝐹𝑎𝑛𝑜𝑙𝑜𝑟𝑎𝑛𝑎 (Dotation) raha hoan’ny Kaominina
Fampanofana : fampanofana tsotra (bail ordinaire), bail emphytéotique.

5️⃣ 𝑰𝒏𝒐𝒏𝒂 𝒂𝒗𝒚 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒅𝒊𝒏𝒈𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒓𝒂𝒉𝒊𝒏𝒂 𝒓𝒂𝒉𝒂 𝒕𝒐𝒂 𝒌𝒂 𝒉𝒂𝒏𝒈𝒂𝒕𝒂𝒌𝒂 𝒕𝒂𝒏𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂?

👉🏻Fanaovana saritany (plan) any amin’ny sampandraharahan’ny Fadrefesantany (service topographique) ka tsy maintsy midina any an-toerana izy mamaritra ny tany izay hangatahina.

👉🏻 Raha azo angatahina ny tany dia afaka miroso amin’ny famenoana ny « formulaire ».

👉🏻 Aterina ao amin’ny sampandraharahan’ny Fananantany (Service des domaines) ny « formulaire » hitahirizana (enregistrement) ny antontan-taratasy. Miaraka amin’izay ny fahazoana ny laharan’ny tany, ary iny ihany koa ny daty fanombohan’ny fangatahana any amin’ny sampandraharahan’ny Fananantany ialohavan’ny fandoavam-bola antoka (cautionnement).

👉🏻 Misy ny fidinana ifotony (constatation des lieux) izay ataon’ny Kaomisionina tarihin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany sy ny Fandrefesantany. Ka antsoina ny tompony sy ireo mpiray vody rindrina mialohan’izany.
Ny Kaomisiaonina no manao fintanana an-tsoratra ny mahakasika ny eo ambonin’ilay tany angatahina : fanorenana nafambolena ary izay nanazary izany. Izy ireo ihany koa no mametraka ny heviny (avis) amin’ny fanomezana na tsia ilay tany.

👉🏻 Mitohy amin’ny fitsirihana faharoa (2nd repérage) ny dingana aorian’ny fahazoan’ny sampandraharahan’ny Fandrefesantany ny antontan-taratasy .

👉🏻 Rehefa vita izany dia alefa any amin’ny «autorités des décisions».

👉🏻 Manome tolokevitra ny lehiben’ny fari-piadidiana (chef circonscription) : omena na tsia ny tany, ny anton’izany ary mametra ny vidiny .

👉🏻 Mametraka ny sampandraharaham-paritra : mitombina ve ny fanomezana na tsia, ary ihany koa ny fanampahan-kevitra (décision) ao.

👉🏻 Rehefa tsy misy fanamarihana avy amin’ny «autorités des décisions» dia miroso amin’ny «immatriculation» ny tany. Satria ny tany voasoratra amin'ny anaran'ny Fanjakana Malagasy ihany no azo omena ny mpangataka.

👉🏻 Raha tsy mitombina kosa ny fangatahana, dia tsy tohizana intsony ny dingana.

👉🏻 Rehefa ekena ny fangatahana dia mety ho ny tany rehetra (totalité) na mety ho ampahany, arakarakin’ny zava-misy ao amin’ny fangatahana.

👉🏻 Amin’ny fotoana hivoahan’ny ny fanampahan-kevitra (décision) dia ampahafantarina (notifier) ny mpangataka.

👉🏻 Homanina ny antontan-taratasy rehetra hanaovana ny «Immatriculation» sy ny tsato-bato dia alefa any amin’ny sampandraharahan’ny Fandrefesantany. Ny titra kosa dia any amin’ny sampandraharahan’ny Fanananantany. Ary ny tompon’ny tany no manome ny anaran’ny tany izay mety aminy.

👉🏻 Rehefa vita izany dia midina ifotony ny Sampandraharahan’ny Fandrefesantany manao ny tsato-bato, ary misy fiantsoana ireo voakasika indray.

👉🏻 Raha tsy misy olana ny fanatanterahana ny tsato-bato dia averina any amin’ny sampandraharahan’ny Fananantany indray ny antontantaratasy sy ny tatitra (PV) nanaovana ny «immatriculation» ary ny saritany mifanaraka amin’izany.

👉🏻 Ampahafantarina an’ilay mpangataka ny tany amin’ny alalan’ny «avis de paiement» ny vola tokony aloany, any amin’ny «Provision Domaniale» ary mahazo fanamarinana (quittance) izy rehefa voahefa izany. Ao anatin’ny iray (1) taona no tokony handoavana izany, ka raha tsy tanteraka izany ao anatin’io fe-potoana io dia azo atao ny manao fanafohanana ny fangatahany.

👉🏻 Manao sonia ny taratasim-pivarotana (acte de vente) ny mpangataka ary alefa any amin’ny «autorités d’approbation» : fileovana (préfet) na any amin’ny foibe.

👉🏻 Miverina any amin’ny foibem-pitantanana ara-ketra (centre fiscal) anaovana ny « enregistrement ».

👉🏻 Miroso amin’ny fanoratana amin’ny «livre foncier» izay «registre» ampiasain’ny sampandraharahan’ny Fananantany hanoratana ny titra an’ny olona tsirairay izay misoratra ao.

🫴🏻 Omena ny tompony ny « Duplicatat du titre » na dika mitovy amin’ilay « livre foncier » ao amin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany.

6️⃣ 𝑭𝒆-𝒑𝒐𝒕𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒐𝒚 𝒏𝒚 𝒂𝒉𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒉𝒂𝒉𝒂𝒗𝒊𝒕𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚 ?
Miankina amin’ny fahavononan’ny mpangataka, ny sampandraharahan’ny Fananantany sy ny Fandrefesantany ary ireo sampana teknika izay miara miasa amin’ny sampandraharahan’ny Fananantany sy ny Fandrefesantany ny fahafainganan’izany.

Amin’izao, noho ny ODOC na titra faobe izay karakarain’ny Minisitera dia haingana sy mora kokoa ny fangatahana ny tany. Mitambatra amin’ny toerana ny fangatahana ka manamora ny fanatanterahana ny «procédure», sy ny vidin’ny tany satria ny Fanjakana dia mitsinjo manokana an’ireo mpangataka tafiditra ao anatin’ny ODOC.

7️⃣ 𝑵𝒚 𝒔𝒂𝒓𝒂𝒏𝒚 𝒎𝒊𝒍𝒂 𝒉𝒐𝒎𝒂𝒏𝒊𝒏𝒂
Eny amin’ny peta-dridrina eny amin’ny circonscription tsirairay avy.

🎉 Aujourd’hui, I-RAKA SERVICE célèbre ses 6 ans !Six années de confiance, de professionnalisme et d’engagement à vos côt...
26/07/2026

🎉 Aujourd’hui, I-RAKA SERVICE célèbre ses 6 ans !

Six années de confiance, de professionnalisme et d’engagement à vos côtés. Un immense merci à tous nos clients, partenaires et collaborateurs pour votre fidélité.

L’aventure continue… et le meilleur reste à venir ! ❤️

25/07/2026

𝙃𝙊 𝘼𝙉𝙏𝙎𝙄𝙆𝘼 𝙈𝙋𝙄𝙆𝘼𝙈𝘽𝘼𝙉𝘼 𝘾𝙉𝙖𝙋𝙎

🔵✅Ampahafantarina isika fa toy izao manaraka izao ny tsara ho fantatra mahakasika ny fandraisana ny zo eto anivon’ny CNaPS, taorian’ny fiakaran’ny karama farany ambany (SME), izay fototra hikajiana ny fanampiana rehetra :

1️⃣ Ho an’ny mpandray volan-jaza dia ny volana aogositra no mandray ny volan-jaza efa niakatra ho 11 000 ariary, miampy ny « rappel » 5 volana (Marsa, aprily, may, jona ary jolay), izany hoe : 1000 ar x 5

2️⃣ Ho an’ireo efa nanao fangatahana volan’ny bevohoka sy volan’ny mpitaiza kely nanomboka ny volana marsa, dia asaina hanatona ny biraon’ny CNaPS akaiky azy indrindra ho amin’ny fandaminana ny resaka "rappel".

3️⃣ Ho an'ireo mpandray fisotroan-dronono sy vidin-takaitra :
• volana jolay: ny volana oktobra no raisina ny zo efa misy fiakarana ary miampy ny « rappel » (aprily – may – jona – jolay) izany,
• volana aogositra : ny volana aogositra no raisina ny zo efa misy fiakarana ary miampy ny « rappel » (aprily – may) izany,
• volana septambra : ny volana septambra no raisina ny zo efa misy fiakarana ary miampy ny « rappel » telo volana ( aprily – may – jona ) izany.

CNaPS : « Firaisankina ho amin’ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny rehetra »

Address

Rue De Russie

101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when I-raka Service II posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to I-raka Service II:

Shortcuts

  • Want your business to be the top-listed Contractor?

Share