17/01/2026
💡
Ndeha mba hiresaka mahakasika ny Budget Prévisionnel isika anio ☺️
🎯 Fa maninona no ilaina ny manao Budget Prévisionnel ?
Ny budget prévisionnel dia tsy tabilao fotsiny, fa sarintany stratejika manampy anao hahita mialoha ny lalana ara-bola tokony halehanao.
Raha tsy manao budget prévisionnel ianao, dia toy ny mitondra fiara amin’ny alina tsy misy jiro — mandeha ihany, fa tsy fantatra hoe aiza no hiafara.
Amin’ny alalan’ny budget prévisionnel dia afaka ianao:
✅ Maminavina sy mandamina ny vola miditra sy mivoaka, ary ny vola tiana tratrarina, mba tsy ho tratran’ny olana tampoka, indrindra handrisika amin'ny fifantohana matotra kokoa amin'ny ara-bola.
✅ Mampitaha ny zava-misy sy ny vinavina, ka mahita avy hatrany ny fiovana ilaina hatao.
✅ Mampitombo ny fahatokisana amin’ny mpiara-miombon’antoka, mpampiasa vola, na banky.
✅ Manampy amin’ny fanapahan-kevitra — fantatrao tsara izay tetibola azo zaraina amin’ny famatsiam-bola, fividianana, na fampandrosoana.
Raha tsorina dia tsy fanampiny ny budget prévisionnel, fa fototra ho an’ny fitantanana mahomby.
Izay manao azy no mahafehy ny hoaviny ara-bola.
💡Azonay taterehina tsara ny fikirakirana sy famolavolana ny budget prévisionnel anao, na hoan'ny orinasanao.
Aza misalasala manoratra hafatra miafina