17/06/2026
đ Ny tantara mampalahelo anâi Anja izay tratran'ny ny tranon-janaka vokatry ny ditra.
Miala tsiny raha misy anarana mitovy fa ny anarana tanim-boanjo fa fijoroana vavolombelona nalefa taty amiko izy ity ary tena nisy.
I Anja dia tovovavy 26 taona amin'izao, kamboty mbola kely izy sy ireo zandry keliny. Maty ny rainy, ka izy no zokiny indrindra aminâizy dimy mianadahy. Izy no mba fanatenana sy any nantenaina mba hampisondrotra sy hananampy ny reniny sy ny renibeny hitaiza ireto zandriny, niezaka nanampy azy ireo foana koa moa ny anadahin-dreniny indrindra tamin'ny fianaran'izy mianadahy avy. Sahirana dia sahirana mantsy ny maman'i Anja...
Saingy teo aminâny faha-13 taonany i Anja, dia resinâny fitiavana jamba tsy fantatra hoe hoaiza. Niala taminâny fianarana izy, ary nanambady mbola kely loatra. Nosakanany reniny sy ireo anadahin-dreniny izy fa tsy nanaiky fa hanambafy ihany hona fa te hiala amin'ny fahantrana izy...
Naharitra 2 taona ilay fanambadiana ary niteraka iray izy ireo, saingy tsy nety tsara ny fiainanâizy ireo vokatry ny fampirafesana natan'ny vadiny ka nisaraka izy ireo.
Taorianâizay dia very lalana i Anja. Nitady fitiavana vaovao izy, niaraka taminâny karazana lehilahy maro, nanao firaisana tamin'izay olona mangetaheta azy no azony izy koa moa tsara tarehy kely rahateo, niezaka nameno ilay banga tao am-pony angamba. Saingy vao mainka nihalalina ny ratram-pony sy ny fahabangana.
Rehefa afaka taona maro dia nanambady indray izy, saingy efa tara loatra ny fahasambarana nokarohiny.
Tsy ela taorianâizay dia nanomboka narary izy. Nisy aretina tao aminâny fivaviany, ary na dia nitsabo tena aza izy dia tsy nety sitrana intsony mihintsy. Ary tena zava-doza dia maimbo mihintsy i Anja ary tsy azo hanatonana raha tara fisasana
Rehefa nandeha ny fotoana dia nanao fitsirihana tany amin'ny dokotera izy, ary dia nisy vaovao nampitomany azy :
đ cancer de lâutĂ©rus no nahazo anâi Anja, ary mila fandidiana fanalana tranonjaza faran'izay haingana mba tsy hiparitaka ny aretina. Raha tsy izany dia hiafara amin'ny fahafatesana mbola tanora.
Tsy nanana vola anaovana ny fandidiana anefa i Anja ary mbola mikaroka izany amin'izao izy sy ny vadiny.
Indray alina, nipetraka irery izy, nitomany mangina, sady tsapany ny lanjanâny lasa : ny safidiny, ny fahadisoany, ny fotoana very sy ireo lehilahy maro be niaraka natory taminyâŠ
đ Hoy izy tao am-pony :
> âRaha mba afaka naveriko ny lasako a, dia nataoko izany ary novaiko ny lalakoâŠâ
Fa indrisy, efa tara loatra.
Ary ny hany sisa iainany ankehitriny dia fanaintainana sy fanenenana mangina mikiky moramora ao anaty. Ny vola mbola hotediavina...
đ Lesona : Ny safidy aminâny fiainana dia mety ho kely fotsiny aminâny fotoana iray, fa mety hitondra vokany lehibe mandritra ny fiainana manontolo mihintsy.
Santé Naturelle AINA SOA
Mialatsiny amin'ny sary fanehona masiantsiaka